PolitikaSongadim-baovao
HO BEN’NY TANÀNAN’ANTANANARIVO: Tsara toerana i Harilala Ramanantsoa
Toerana vitsivitsy teto an-drenivohitra no nahitana savorovoro omaly nandritra ny androm-pifidianana. Nanodidina ny resaka biletà efa voamarika mialoha, ny resaka olona nahazo “ordonnance”, ary fisiana vato anatin’ny vata mangarahara mihoatra ny tokony ho izy tamin’ny ankapobeny no fototry ny olana. Tafiditra tao anatin’ireo nahitana savorovoro ohatra ny tetsy amin’ny EPP Ambohitsoa, izay tsy maintsy nidiran’ny mpitandro filaminana an-tsehatra ny nandaminana azy, niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni).
Na teo aza anefa izany rehetra izany, nizotra araka ny tokony ho izy ny fifidianana tamin’ny ankapobeny. Afaka naneho ny safidiny ankalalahana avokoa ny olom-pirenena rehetra nanan-jo hifidy. Navitrika tamin’ny fandraisana anjara koa ny olom-pirenena. Mbola andrasana moa ny taham-pahavitrihina ho avoakan’ny Ceni.
Raha ho an’ny fironam-bokatra vonjimaika voaray omaly hariva, taorian’ny fanisam-bato isaky ny Birao fandatsaham-bato, dia hita ho tsara toerana hibata ny fandresena ny Kandidà natolotry ny vovonana “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina – IRMAR”, Harilala Ramanantsoa. Biraom-pifidianana maro no nitarihany, isan’izany ny tetsy amin’ny EPP Ankorondrano, Boriborintany faha-3, izay nisy mpifidy miisa 292, ary nahazoany vato 131, raha toa ka 99 ny an’i Tojo Ravalomanana avy amin’ny TIM. Fahatelo kosa i Gascar Fenosoa, ary manaraka azy i Tahina Razafinjoelina. Biraom-pifidianana maro no mitovy amin’izay ny fironam-bokatra. Misy ihany anefa, etsy ankilany, ireo biraom-pifidianana ahitana an’i Tojo Ravalomanana mitarika, toy ny eny amin’ny Fokontany Ampamarinana, Boriborintany fahefatra, izay nisy mpifidy miisa 238. Azon’i Tojo Ravalomanana ny 115 tamin’ireo vato ireo, 63 kosa an’i Harilala Ramanantsoa, ary fahatelo i Tahina Razafinjoelina tamin’ny isam-bato 44.
Ny tsara ho marihina anefa dia saika any amin’ireo toerana be mpifidy no mitarika i Harilala Ramanantsoa. Izay indrindra no mahatsara toerana azy hibata ny fandresena amin’ity fifidianana eto Antananarivo Renivohitra ity.


