Songadim-baovaoSosialy
DISTRIKA MARO NAHARAY FILAZANA LOZA: Miha manatona ny tapany Avaratry ny Nosy ilay rivodoza “Chido”
Nitombo hery ka lasa rivodoza mahery i “Chido”, ilay andro ratsy niforona tao an-dRanomasimbe Indiana. Raha ny fampitam-baovao voaray avy tamin’ny Foibe famantarana ny mety ho toetry ny andro, omaly tamin’ny 09 ora maraina, dia tany amin’ny 1033 Km atsinanana somary avaratra atsinanan’ny Distrikan’Antsiranana I no nisy ny foibeny. Niakatra ho 150 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 210 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana hatrany izy ka nahafaka 13 Km/ora. Tombanana hitombo hery hatrany ity rivodoza Chido ity ka mety ho lasa rivodoza mahery vaika, izany hoe alina hatramin’ny anio Alakamisy. Tsy miova ny vinavina napetraky ny Météo malagasy, fa manambana mivantana ny tapany avaratry ny Nosy i Chido, ary mety hipàka ao an-toerana rahampitso zoma 13 desambra 2024, amin’ny tanjaka “Cyclone Tropical”. Nisy araka izany, filazana loza voarain’ny Faritra sy Distrika maromaro ao amin’ny tapany avaratry ny Nosy ao. Loza manambana miloko mavo, ho an’ny Faritra Diana sy ny Distrikan’i Vohémar. Naharay filazana loza fanairana miloko maitso indray koa, ny ao amin’ny Distrikan’i Bealanana, Befandriana Avaratra, Antsohihy, Port-Berger, Analalava, Sambava, Antalaha, ary Andapa. Nanentana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Distrikan’Analalava sy Cap d’Ambre, ary eo anelanelan’i Cap d’Ambre sy Sainte Marie, ny Météo malagasy mba tsy hiandriaka intsony manomboka anio alakamisy tolakandro, noho ny fisamboaravoaran’ny ranomasina. Eo koa ny tokony hanarahan’ny rehetra mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony eny ifotony.
Nangonin’i Stan R.



