PolitikaSongadim-baovao
FIRONAM-BOKATRA AVY AMIN’NY CENI: Mitarika amin’ny salanisa 43,09% i Harilala Ramanantsoa
Mazava ny tarehimarika navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) omaly fa ny Kandidà natolotry ny Vovonana IRMAR, Harilala Ramanantsoa, no mitarika amin’ny fironam-bokatra tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna teto amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra.
Birao fandatsaham-bato miisa 978 amin’ny 1139 no efa voakirakiran’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) hatry ny omaly hariva, ka nanaovan’izy ireo tatitra nahazoana ny fironam-bokatra ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra. Niisa 211 654 ireo vato nanan-kery tao anatin’izany. Araka izany dia mitarika amin’ny salanisa 43,09% ny Kandidàn’ny Vovonana “Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina – IRMAR”, Harilala Ramanantsoa izay nahazo vato 91 192. Manaraka azy kosa ny kandidà TIM, Tojo Ravalomanana, amin’ny salanisa 36,21%, izay nahazo vato 76 646. Eo amin’ny fahatelo i Tahina Razafinjoelina amin’ny salanisa 12,08% ary nahazo vato 25 559.
Na dia mbola tsy vokatra feno aza io, dia efa azo ahitana taratra sahady ny ho fironam-bokatra hatramin’ny fiafaran’ny fikirakirana ny vokatra rehetra. Hatramin’ny omaly, dia mbola ady an-tserasera no nataon’ny mpifanandrina ara-politika roa tonta, dia ny mpomba ny fitondrana sy ny mpanohitra. “Raha ny tatitra azontsika avy amin’ireo solontena manerana ireo birao fandatsaham-bato dia efa azontsika ny fandresena, saingy manentana antsika tsirairay avy hiandry am-pitoniana ny vokatra Ofisialy izay havoakan’ny rafitra manana fahefana ny amin’izany”, hoy Harilala Ramanantsoa teo amin’ny pejiny. Io fironam-bokatra avy amin’ny Ceni io, araka izany, no nandrasan’ny mpanara-baovao maro. Ka heverina fa manomboka miha mazava ny fironan’ny voka-pifidianana manomboka eto.
Mitarika ny IRMAR amin’ireo renivohi-paritany efatra hafa
Etsy ankilany, nivoaka omaly koa ny any amin’ireo Renivohi-paritany dimy hafa. Ny tao Antsiranana ihany no nitarika ny tsy miankina. Ny tao Toamasina, Mahajanga, Fianarantsoa, Toliara dia ny Kandidan’ny IRMAR avokoa no mitarika, izay maneho ny mbola mampatanjaka ny volomboasary manerana ireo toerana ireo. Anisan’ny andrarezin’ny politika nandrasan’ny maro ny vokatra azon’i Rivo Rakotovao tao Mahajanga, sy ny an’i Rolland Ratsiraka tao Toamasina. Hatreto, raha ny fironam-bokatra no jerena dia kely ny herijika hahazoan’izy ireo ny fandresena.




