Songadim-baovaoSosialy

FARITRA DIANA SY SAVA ARY SOFIA: Mety hahatratra 19 391 ny traboina amin’ny fandalovan’ny rivodoza “Chido”

Araka ny vinavina nataon’ny teo anivon’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) niainga tamin’ireo angona nentin’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro (Météo malagasy) araka ny vinavina amin’ny mety ho lalan’ny rivodoza Chido, omaly 12 desambra 2024 navoakan’ity farany, ary ny fandinihana nataon’ny teknisiana eo anivon’ny BNGRC, dia mety hahatratra 19 391 ny traboina amin’izao fandalovan’ny rivodoza Chido any amin’ny tapany avaratry ny Nosy izao. Ny ao amin’ny Faritra Diana sy SAVA, ary Sofia, no tena voakasik’izany vinavina natao izany, ka ao amin’ny Faritra Diana dia mety hahatratra 15 290, SAVA 2 984, ary Sofia hatramin’ny 1 117. Araka ny efa fanaon’ity Rafitra iray misahana ny fandrindrana ny loza sy ny tandindon-doza BNGRC ity, dia ny fiomanana mialoha hiatrehana ny loza no tena ifotoran’ny asa. Eo anatrehan’izany, araka ity vinavina amin’ny mety ho fandalovan’ny rivodoza Chido ity, dia efa natomboka sahady ny talata 10 desambra lasa teo, ny fiomanana rehetra any amin’ireo Faritra voalaza. Anisan’izany ny fanetsehana ireo rantsa-mangaikan’ny BNGRC ao Diana sy SAVA, ary Sofia, toy ny famoriana azy ireo sy ny fanomezana ireo toromarika tsara ho fantatra amin’ny fiomanana hiatrehana ny loza, ny fijerena sy ny fametrahana eny ifotony sahady ireo entana rehetra ilaina mandritra ny fiavian’ny loza, toy ny vary sy ireo karazan’entana ilaina andavanandro, ny trano lay sy ny toerana azo antoka, sy ny sisa. Tsy natao ambanin-javatra tamin’izany indrindra koa, ny fanentanana sahady ny hanalana ireo mponina tandindonin-doza amin’ny tondra-drano sy ny fihotsahana mba hifindra toerana azo antoka, ary ny fametrahana sahady ny ivon-toeram-pitsaboana manokana any amin’ny toerana azo antoka hitobian’ireo ho traboina, miaraka amin’ny mpitsabo. Eo koa ny efa fanomanana sahady ny kojakojam-pampianarana ho an’ny mpianatra izay hozaraina aorian’ny fandalovan’ny rivodoza,a ry ny fametrahana amin’ny toerana azo antoka ny rano fisotro madio. Tamin’izany indrindra no naminavinana ny mponina mety ho traboin’ity rivodoza Chido ity, nandritra ny fivoriana niarahan’ireo rantsa-mangaika eny ifotony BNGRC tany an-toerana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer