Songadim-baovao
FINOANA KATOLIKA : Hiverina hisokatra ny Fiangonana
Araka ny nambaran’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, ny alahady lasa teo, fa afaka misokatra ny Fiangonana rehetra. Nanambara ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona omaly, fa hisokatra ny fiangonana katolika ary manaja ny fepetra ara-pahasalamana ny isam-piangonana…

Taorian’ny fanambaran’ny Fitondram-panjakana, ny amin’ny fisokafan’ny Fiangonana. Dia hiverina hisokatra ny eo anivon’ny Fiangonana katolika. Nambaran’ny Arsevekan’Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona omaly fa « mazava ny tenin’ny Filohan’ny Repoblika, ny amin’ny fahafahan’ny Fiangonana misokatra indray. Araka izany, dia hisokatra amin’izany ny Fiangonana ary isaorantsika an’Andriamanitra izany. Isaorana manokana ny kristianina tamin’ny finoana nasehony, nahavita niaritra izay fotoana lavabe izay. Amin’ny fotoana sarotra tokony hivavahana angatahina amin’Andriamanitra no nidina ny Fiangonana. Ilaina kosa, ny fandaminana iombonantsika niadiana amin’ny valanaretina, izay am-pitandremana ». Nentaniny, araka izany, ny Pretra, ny filohan’ny filankevitra pastoraly sy ny filankevitra ekonomika isam-piangonana amin’ny fanajana ny fepetra, ahafaha-miroso amin’ny fanatanterahana ny fotoam-pivavahana. Asam-piangonana sady fanompoana izy ity, ka raiso ny andraikitra manandrify ny tsirairay, raha ny fanampim-panazavana hatrany.
Fepetra ara-pahasalamana…

Ny tsirairay eny ifotony no mahalala ny amin’ny fomba fampiharana sy ny fanajana fepetra isam-piangonana. Voakasika izany ireo fiangonana rehetra ao anatin’ny diosezin’ny Faritra Itasy, Bongolava, Vakinankaratra ary ny eto Analamanga. Ankinina amin’ny tomponandraikitra isan-tokony ny amin’ny fanadiovana sy ny fametrahana ny fepetra ara-pahasalamana. Nasian’ny Arsevekan’Antananarivo resaka koa ny fanatanterahana ny tokim-panompoana hotontosain’ny Pretra rehetra, amin’ny faha-14 septambra hoavy izao, ho an’ ny Pretra eto Antananarivo. Tsy nisy moa izany, tamin’ny alakamisy masina teo, vokatry ny fihibohana misy teto amin’ny tany sy ny Firenena. Ny fanamasinana ho diakra indray, dia hotontosaina amin’ny 31 oktobra izao, any Amboara.



