Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
TSY FAHATANTESANA VOKA-PIFIDIANANA : Olona telo namaky sy nanimba biraon’ny kaominina nosamborina
Taorian’ny fanisam-bato afakomaly alina, tokony ho tamin’ny 10 ora alina, nisy andian’olona maromaro nizotra teo amin’ny biraon’ny Kaominina Ambohimitombo ll Ambositra.Raha ny vaovao azo, dia tsy faly tamin’ny voka-pifidianana ireo mpomba ny kandida laharana 01 avy amin’ny tsy miankina. Nandritra izany rehetra izany dia nanimba ny biraon’ny Kaominina izy ireo ary fananam-panjakana sy antontan-taratasy tao amin’ny birao.
Nopotehin’izy ireo koa ny jiro nanazava ny tanàna any an-toerana miisa enina. Nalefa nidina teny an-toerana ny zandary roa lahy miambina ny biraom-pifidianana ao Ampidirana, sy Kaominina Ambohimitombo ll. Zandary 10 avy any Ambositra nidina tany an-toerana hanampy sy hikaroka ireo olon-dratsy. Omaly no hita teny an-toerana fa nisy andian’olona niditra an-keriny tao amin’ny biraon’ny kaominina ary nanimba ireo fitaovana toy ny varavarambe, varavarankely, seza, milona fanontanam-printy.
Rehefa natao ny famotorana dia fantatra fa taorian’ny fanisana vato tokoa tao Ampidirana, kaominina Ambohimitombo II dia nisy vatan-dehilahy maromaro tsy faly tamin’ny vokatra vonjimaika no niara-nirona nihazo ny renivohitry ny kaominina. Tsikaritra koa fa nisy hazo maromaro nisy nanapaka ary mibahana ny lalana tokony ho 1km tsy hidirana ny kaominina. Olona 10 mahery eo no ahina nanao ity fanimbana ity ka ny telo tamin’ireo no voasambotra, samy monina ao amin’ny fokontany sy kaominina Ambohimitombo ll izy ireo.
Nentina avy hatrany any Ambositra ireo olona telo ireto ho atao famotorana. Mbola mitohy ny fanadihadihana sy ny fikarohana ireo olon-dratsy sasany, izay nanimba fananam-panjakana.
Rado Harivelo




