
PolitikaSongadim-baovao
FIANDRASANA NY VOKA-PIFIDIANANA : Tsy ilaina ny korontana, miandrandra fitoniana ny rehetra
Taorian’ny famaranana ny fivorian’ny Antenimieram-pirenena omaly no niantsoan’ny Praiminisitra Ntsay Christian fitoniana ho an’ny Malagasy rehetra eo am-piandrasana ny voka-pifidianana. Ny teo anivon’ny Antenimieram-pirenena sy ny olom-pirenena rehetra koa dia niombon-kevitra ny amin’ny tokony hametrahana izay fitoniana izay.
Nivoitra nandritra ny lahatenin’ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena misahana ny faritanin’Antananarivo, Andriamananoro Augustin, omaly, teny Tsimbazaza, fa vaninandro mendrika ho fitsaharana ara-politika ny vanim-potoana toy izao, izay manakaiky ny fetin’ny Krismasy. Izany indrindra no tsy nanaovany kabary politika nandritra ny lanonam-pamaranana ofisialy ny fivoriana ara-potoan’ny Antenimierampirenena, raha ny nambarany. Nasiany teny kosa, ny mikasika ny akon’ny fifidianana kaominaly ny Alarobia 11 desambra lasa teo, izay hiandrasan’ny rehetra ny vokatra, dia ny fanentanana ny vahoaka rehetra ho samy hiandry am-pitoniana izany. Nambarany ankoatra izay, fa « anisany fanomezana Krismasy ho an’ny vahoaka malagasy avy amin’ny ekipam-pirenen’ny taranja Basikety Ankoay lahy sy vavy, ny nahazoantsika ny Amboara FIBA 3*3 Africa cup 2024 izay arahabaina nitondra avo ny voninahi-pirenena ».
Nisongadina teny amin’ny Antenimierampirenena teny Tsimbazaza, omaly, ireo zava-bita nandritra izay fotoam-pivoriana ara-potoana naharitra 60 andro izay. Goavana tao anatin’izany, raha volavolan-dalàna miisa 12 no napetraka hodinihina teny anivon’ny Antenimierampirenena, dia lanin’ny Antenimierampirenena avokoa izany. Anisany goavana tao anatin’izany, ary vaindohan-draharahan’ny fivoriana ara-potoana faharoa tahaka izao, ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana 2025. Maro tao anatin’izany ny fandaniana ireo findramam-bola ataon’i Madagasikara, ka ho maro noho izany, ireo fotodrafitrasa hatsangana sy hotohizana, ho fampandrosoana. Ankoatra izay ireo fampidiram-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny hetra sy ny ladoany. Anisany koa ny fahavononantsika amin’ny ezaka goavana amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo momba ny vary. Voalaza tao anatin’izany lalàna izany koa ny fisokafan’ny fandraisana mpiasam-panjakana, ary ny mikasika ny fankatoavana ny fananganana ny « zone de libre échange contineltal Africaine » izay tsena malalaka ahitana famoronan-karena ara-barotra izay mikendry ny hanamorana ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny firenena afrikanina, amin’ny alalan’ny famahana ireo karazana sakana ara-barotra sy mikasika ny haban-tseranana rehetra. Ankoatr’izay, dia maro ireo fihaonana ara-diplaomatika nisy teny Tsimbazaza, tamin’ny alalan’ireo karazana masoivoho isan-tsokajiny avy, tao anatin’izay fivoriana naharitra andro maro izay, ary notanisaina teo am-pamaranana ny fivoriana omaly. Ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenena misahana ny faritanin’Antananarivo, Andriamananoro Augustin no nitarika ny lanonam-pamaranana ofisialy ny fotoam-pivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena amin’ity taona ity, omaly, noho ny tsy maha eto an-toerana ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, izay lasa namita iraka any Afrika. Nisy ny taratasy napetrany nanehoany ny fialan-tsiny, sy nanendry ity farany hisolo tena azy namarana izany fivoriana izany talohan’ny kabary samihafa. Fantatra moa, fa namonjy ny fivoriana « Forum Parlementaire de la SADC mandritra ny roa taona ho avy, ka izy Filohan’ny Antenimierampirenena malagasy no mitarika izany fivoriana izany.
Stan R.




