
PolitikaSongadim-baovao
FILOHA ANDRY RAJOELINA : Voafidy ho mpitarika politika mendrika eto Afrika ho an’ny taona 2024
Olona mitondra fiovana sy fivoarana, mampisongadina an’i Afrika, mitondra fampandrosoana maharitra ho an’i Afrika ary nanamafy ny toeran’i Afrika eo amin’ny sehatra iraisampirenena, sy manana Haitarika miavaka eto Afrika no voafantina ao anatin’ny fifidianana hahazo ny fankasitrahana avy amin’ny African Leadership Magazine ho olona sangany indrindra eto Afrika ho an’ny taona 2024. Misandrahaka amin’ny sehatra maro ny fifantenana ataon’ny African Leadership Magazine, toy ny eo ny sehatra politika, ny fanabeazana, ny fandraharahana, ny fanaovana asa soa, ny fahasalamam-bahoaka, sy ny maro hafa.
Isan’ireo Filoham-pirenena voafantina hofidiana ao anatin’ny sokajy Leader politique de l’année , mpitarika politika mendrika ho an’ny taona 2024 eto afrika ny filoha Andry Rajoelina. Nifaninana taminy ny Filohan’i Seychelles, sy ny Filohan’ny Repoblika Demokratikan’i Congo (RDC). Nanomboka ny 29 novambra 2024 teo ny fifidianana ho an’ny daholobe anabaka, ary nifarana ny 12 desambra 2024 . Raha ny vokatra navoakan’ny tranonkalam-pifandraisana Africa Leadership magazine, dia mitarika lavitra amin’ny isam-bato ny Filoha malagasy, amin’ny salanisa 65,69%. Ny Filohan’i Seychelles kosa no nahazo ny toerana faharoa, ary fahatelo ny Filohan’ny RDC.
Hisy ny lanonana manetriketrika hanolorana amin’ny fomba ofisialy ny mari-pankasitrahana ho an’ireo sangany rehetra voafidy ho an’ny taona 2024 izay hotanterahina ao Casablanca Maroc ny 27 sy 28 febroary 2025.
Ny Fanoratana.



