PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA KAOMINALY 2024: Mbola nanaporofo indray ny tanjaka ara-politikan’ny IRMAR
Kaominina amina Renivohi-paritra maro no azon’ny Kandidà avy amin’ny Vovonana “isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina – IRMAR”, araka ny fironam-bokatra avoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni). Isan’izany ohatra ny ao amin’ny Kaominina Ambovombe ao amin’ny Faritra Androy, ny kaominina Ambatondrazaka Faritra Alaotra Mangoro, Kaominina Fénérive Est Faritra Analanjirofo, Kaominina Ambalakida Faritra Boeny, Kaominina Tsiroanomandidy Faritra Bongolava, Kaominina Maevatanana Faritra Betsiboka, sy ny sisa hafa koa. Ankoatra ireo Renivohi-paritany dimy izay efa azon’ny IRMAR, araka izany, dia saika mbola IRMAR koa no mitarika amin’ny ankamaroan’ireo Renivohi-paritra. Porofo izany fa mbola tena manana ny toerany ny Vondrona miara-dia amin’ny Filohan’ny Repoblika eto Madagasikara. Ary mbola resy lahatra amin’ny Fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha Andry Rajoelina koa ny vahoaka.
Ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra manokana, dia lasa miditra amin’ny adin-tserasera sy fanelezana vaovao diso ny fanoherana entina hanakonana ny faharesena nandritra ny fifidianana. Anisan’ny voizina ao anatin’izany ohatra ny resaka “ordonnance” izay efa nazavaina imbetsaka fa fanajana ny zon’ny olom-pirenena rehetra hifidy no antom-pisiany fa tsy kajikajy politika hampandresena kandidà manokana akory. Raha misy ny tsy fahatomombanana hitan’ny fanoherana ka hananan’izy ireo porofo izany, dia azon’izy ireo atao ny mitondra ny raharaha eny amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana, izay rafi-pitsarana mahefa amin’ny raharaham-pifidianana kaominaly tahaka izao. Izay ihany no dingana voafaritry ny lalàna, ny ankoatra izay dia efa miendrika fanakorontanana, tsy hampisy fitoniana.
Ny Fanoratana.




