Songadim-baovaoToekarena
TAMBAZOTRA IRAISAN’ANTANANARIVO : Hiverina ny fahatapahan-jiro mifandimby haharitra ora iray sy sasany
Efa nilaozana indray aloha tato ho ato ny fandaminana napetraky ny Filoha mahakasika ny fahatapahan-jiro eto an-drenivohitra. Raha tsiahivina, lamina napetraky ny Filohan’ny Repoblika ny tsy hanapahana mihitsy ny famatsiana herinaratra any amin’ireo mpanjifa raha tsy manomboka amin’ny 10 ora alina, rehefa vita ny asa aman-draharaha rehetra. Tsy voahaja ireo ankehitriny. Hatramin’ny herinandro lasa teo anefa, toerana maro teto an-drenivohitra no nanomboka niaina tao anaty fahatapahan-jiro mifandimby mandritra ny tontolo andro. Nanamafy ny tsy maintsy hampiharana izany indray ny fampahafantaran’ny orinasa jirama omaly.
Araka izany, mihiba, hoy ny jirama, ny haavon’ireo rano eny amin’ireo tohodrano mpamokatra herinaratra ka mahatonga tsy fahampian’ny vokatra tsinjaraina eto amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo. Noho izany, voatery mampihatra fahatapahan-jiro mifandimby indray io orinasa mpitsinjara herinaratra io. Haharitra ora iray sy sasany isaky ny fahatapahana izany. Nisy, noho izany, ny filazana fahatapahan-jiro nozaraina ao amin’ny pajy fesibokon’ny Jirama. Tsikaritra tamin’izany fa amin’ny tolak’andro avokoa no hiseho ireo fahatapahana haharitra ora iray sy sasany ireo, eo anelanelan’ny amin’ny 13H hatramin’ny 18H. Ny hangatahin’ireo mpanjifa maro dia ny fampiharana ny fahatapahana amin’ireo lera nampahafantarina mialoha ireo.




