PolitikaSongadim-baovao

FARITANIN’ANTANANARIVO – VOKATRA VONJIMAIKA: IRMAR no nahazo toerana maro indrindra

Araka ny lamina napetraky ny teo anivon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), dia omaly no nampahafantarina ny besinimaro ny voka-pifidianana vonjimaika feno ho an’ny teto amin’ny Faritanin’Antananarivo, tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna 2024.

Araka izay andidian’ny lalàna azy dia navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) ampahibemaso omaly 20 desambra ny voka-pifidianana vonjimaika feno ho an’ny Faritanin’Antananarivo, taorian’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolotsaina. Nivoitra tao anatin’izany fa 44, 19% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tato amin’ny Faritanin’Antananarivo raha toa ka 48,79% izany eo amin’ nysehatra nasionaly. Araka ny tatitra dia Kaominina 1158 no nahitana taham-pahavitrihana mihoatra ny 50%, ary Kaominina 537 kosa no nahitana taham-pahavitrihana latsaky ny 50%.
Raha ny vokatra notaterina omaly, noho izany, dia laharana voalohany, manana isam-bato 106 643 izay manome salan’isa 43,24% ny kandidan’ny Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (IRMAR), Harilala Ramanantsoa, ho an’ny Kaominina Antananarivo renivohitra. Eo amin’ny laharana faharoa kosa no misy ny kandidàn’ny antoko Tiako i Madagasikara, Tojo Ravalomanana, manana isam-bato 89 374 na 36,24%. Ny kandidan’ny antoko Tia Tanindrazana, Tahina Razafinjoelina, kosa no mitana vonjimaika ny laharana fahatelo, nahazo isam-bato 29 568 na 11,99%. Nahazo isam-bato 13 536 na 5,49% kosa ny kandidan’ny Mouvement Gasikara – O’Gascar Fenosoa Mandrindrarivony, izay eo amin’ny laharana fahefatra vonjimaika. Ny kandidan’ny RTM – Randriamampionona Joseph Martin, manana isam-bato 3 926 na 1,59% no eo amin’ny laharana fahadimy. Ny kandida tsy miankina Razanamasy Ndriana, nahazo isam-bato 2 197 na 0,89% no eo amin’ny laharana fahenina ary ny kandida tsy miankina Roindefo Monja no eo amin’ny laharana fahafito, nahazo isam-bato 1 390 na 0,56%.
Raha ny tarehimarika manerana ny Faritanin’Antananarivo no kosa jerena dia ny Vovonana IRMAR no nahazo toerana maro indrindra manodidina ny 132. Manaraka azy ireo kosa ny avy amin’ny Tsy miankina, izay nahazo toerana 73 raha toa ka ny FIVOI no fahatelo, nahazo toerana 56. Fahefatra kosa ny TIM nahazo toerana 40.
Tsy fahatomombanana
Nomarihin’ny Filohan’ny Ceni, Dama Arsène Andrianarisedo, nandritra ny lahateniny fa ny didy aman-dalàna no fototry ny asa rehetra tanterahin’ny Ceni. Maro ireo nankasitraka ny asa fanomanana sy fanatanterahana ny fifidianana ary re avokoa ny fanamarihan’ny olompirenena manodidina ny mety ho tsy fahatomombanana samihafa saingy tsy voatery hanohintohina ny fahamarinan’ny latsabato sy ny voka-pifidianana avokoa izany. Misokatra ny adihevitra mikasika izany, hoy hatrany ny Filohan’ny Ceni.
Nomarihin’ny Filohan’ny Ceni fa marobe ireo ezaka tamin’ny fanafainganana izao famoahana voka-pifidianana vonjimaika izao, toy ny fametrahana ny rafitra SPATREC izay narindra hiasa andro aman’alina tsy an-kiato. Teo ihany koa ny fampiasana angidim-by sy fiaramanidina nanangonana ireo vokatra avy amin’ny faritra saro-dalana.
Marihina fa hivoaka mialoha ny 24 desambra avokoa ireo vokatra vonjimaikan’ny faritany 5 hafa.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer