Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
TANAMAKOA TOAMASINA: Kamiao iray tra-tehaka nitatitra lafarinina efa simba 700 gony
Nisy fiara vaventy mitatitra lafarina simba avy any amin’ny RN5, afakomaly tamin’ny 8 ora alina, ka nisy nampandre ny avy amin’ny Zandary ao amin’ny Vondron-tobim-pileovana zandarimaria Atsinanana. Rehefa narahina ilay fiara dia tratra teo Tanamakoa akaikin’ny Lisea teknika, kaominina an-drenivohitra Toamasina ka nosavaina ilay kamiao marika DAF, monina ao amin’ny cité Béryl rose. Vokatr’izany, tratra ny lafarinina miisa 700 gony izay milanja 50 kg isany isany, ka 600 gony amin’ireo dia efa simba, araka ny fanambaran’ny mpamily mpanampy ary 100 gony ihany no lafarinina mbola tsara. Araka ny filazan’io mpamily mpanampy io, dia lafarinina simba nalaina tany amin’ny « dépôt » Ampilaolava amin’ny RN5 ary hoentina any amin’ny trano iray ao Tanamakoa, ireo lafarinina ireo. Nogiazana avy hatrany ao amin’ny tobim-paritra zandarimaria Toamasina ilay fiara miaraka amin’ny entana rehetra nentiny.
Natao andrimaso ilay teratrany vahiny, izay nalefan’ny tompon’ny entana hanaraka ilay entana simba mandra-pahitana ny tena tompon’antoka. Natao andrimaso koa ilay mpamily sy mpamily mpanampy. Efa notadiavina daholo ireo toerana nakana Ampilaolava sy nanaterana tao Tanamakoa ilay entana. Nampandrenesina ny Fitaleavam-paritry ny varotra ao Atsinanana hifandrimbona amin’ny fanadihadiana mikasika ity fandikan-dalàna ity. Momba ireo entana araka ny « bon de livraison » dia lafarinina an’ny orinasa iray, izay manofa fametrahan’entana eny Ampilaolava RN 5, ka haterina ao amin’ny lehilahy iray ao Bazarikely. Misy tsy mifanaraka, araka izany, ny lalan’ireo entana ireo ka ahina hisy hosoka io « bon de livraison » io. Misokatra ny fanadihadiana ka ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Toamasina no misahana izany.
Pierre M.




