Songadim-baovaoToekarena
HETSIKA IRAISAMPIRENENA HO AN’NY FARITRA (JIR) : Asongadina mandritra ny hateloana ireo otrikarena ananan’ny Faritra DIANA
Faritra manan-karena amin’ny vokatra ara-pambolena i Diana, ary anisan’ny mampiavaka azy ny famokarana Cacao tsara kalitao, misongadina eo amin’ny tsena iraisampirenena. Ankoatra ny fambolena dia manana harena an-dranomasina maro ihany koa i Diana, ary mifototra amin’ny resaka Jono. Etsy ankilany, manana ny toerany amin’ny sehatry ny indostria sy ny Fizahantany iny tapany Avaratry ny Nosy iny. Ireo rehetra ireo no anisan’ny ho voaresaka mandritra ny Hetsika Iraisampirenena ho an’ny Faritra (JIR) andiany fahafolo, izay hampiantranoan’ny Faritra DIANA, nanomboka omaly, ary haharitra hatramin’ny rahampitso.
“Tany manjary ho an’ny toekarena maharitra” no nosafidiana ho lohahevitra amin’ity andiany faha-10 ity, izay natao mba ahafahana mitrandraka araka ny tokony ho izy ireo otrikarena ireo amin’ny alalan’ny fiarahamiasa amin’ny mpiara-miombona antoka samihafa, ireo mpampiasa vola, ireo sehatra tsy miankina ary ny malagasy am-pielezana, mba hisian’ny fampandrosoana ny faritra sy ny hisian’ny fiantraikan’izany fampandrosoana izany amin’ny mponina ao amin’ny faritra.
Nasongadin’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, sady Minisitra Mpiahy ny Faritra DIANA, Rasata Rafaravavitafika, tao anatin’ny lahateny fanokafanana omaly, fa efa nahitam-pahombiazana nandritra ny efatra taona nifanesy ny JIR, ary ity andiany ity dia mampisongadina an’Antsiranana ho sehatra iray tsy azo ihodivirana ho an’ny fifanakalozan-kevitra sy ny fiaraha-miasa. Ity andiany ity ihany koa dia maneho ny vina napetraky ny Filohan’ny Repoblika, “Madagasikara tsy maintsy mandroso”, izay mametraka ny faritra ho ivon’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, hoy hatrany ny fanazavany.
Tsara ho fantatra fa isan’ny nitarika ny lanonam-panokafana tany an-toerana koa ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian.



