Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

AMBATOMIRAHAVAVY: Mpirahavavy indray maty natelin’ny vavaranon’i Katsaoka

Tratran’ny tsy nampoizina ! Mpirahavavy niara-nilomano tao amin’ny vavaranon’i Katsaoka Ambohidranomanga, Kaominina Ambatomirahavavy distrikan’Arivonimamo. Araka ny angom-baovao, sady niandry omby izy roa vavy ireo no nilomano. Nandritra izany no nilentika tampoka ilay zandriny ary namonjy ity zokiny ka samy nilentika koa izy roa vavy. Nisy fokonolona nahita izany tranga izany ka niezaka namonjy azy roa vavy ireo. Tsy mbola maty teo no ho eo izy ireo, fa mbola nentina tany Ambatomirahavavy. Nentin’ny fokonolona tao amin’ny toeram-pitsaboana klinika iray tao Ambatomirahavavy izy ireo. Ny sasany no nilaza fa nilatsaka tao amin’ny vavaranon’i Katsaoka, afakomaly tamin’ny 3 ora tolakandro, izy ireo, saingy tsy tana ny ainy, tokony ho tamin’ny 4 ora sy sasany. 17 taona sy 12 taona izy roa vavy ireo ary mpiray tampo, izay samy monina ao Andranosoalaza, fokontany Imerintsiafindra, kaominina Ambatomirahavavy distrikan’Arivonimamo. Taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo dia naverina tamin’ny fianakaviany ny razana, tsy nahitana ratra na kapoka ny vatan’izy ireo. Nentanina ny mponina mba hitandrina rehefa mandeha eny amoron-drano, indrindra mahakasika ny filomanosana satria ny loza tsy mba mampandre. Na izany aza, misokatra ny fanadihadiana iandraiketan’ny tobim-paritra Ambatomirahavavy.
Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer