PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
TRAFIKANA SOKATRA MIISA 112 SARONA : Depiote iray sy mpiara-miasa aminy efatra voasambotry ny Zandary
Nanatanteraka fisafoana ny zandary tetsy amin’ny zana-tobim-paritra Antehiroka, afakomaly tamin’ny 7 ora hariva mahery kely. Fiara iray marika « Audi » nijanona teo amoron-dalana namindra valizy tao amin’ny fiara iray marika « Jeep » no nampiahiahy. Taorian’ny fisavana, dia sokatra miisa 112 no tratra ka solombavambahoaka voafidy tany amin’ny Faritra Itasy ny iray voasaringotra, raha mpiara-miasa aminy ireo efatra tra-tehaka. Hiakatra fampanoavana anio, ny raharaha, raha tsy misy ny fiovana…
Sokatra miisa 112 natao tao anaty valizy no saron’ireo Zandary nanao fisafoana tetsy Antehiroka, afakomaly, tokony ho tamin’ny 7 ora hariva. Araka ny angom-baovao, fiara iray marika « Audi » nijanona teo amoron-dalana namindra valizy tao amin’ny fiara iray marika « Jeep ». Nijanona avy hatrany ireo zandary mpanao fisafoana ary nanontany ny mombamomba ireo olona tao anatin’ireo fiara roa mampiahiahy ireo. Nisy tamin’ireo olona tao anatin’ny fiara nilaza fa solombavambahoaka, kanefa tsy nety nampiseho taratasy ahafahana manamarina izany. Tsy nanaiky ny fisavana ny fiarany moa io nilaza fa solombavambahoaka io satria manana « immunité parlementaire » araka ny voalazany.
Niezaka nandresy lahatra azy ireo ny Zandary ka nanaiky ny nanaraka tany amin’ny Biraon’ny zana-tobim-paritra Antehiroka ihany nony farany ireto mpanao trafika. Nanaiky an-tsitrapo ny fisavana ny fiara moa ilay nilaza fa solombavambahoaka. Teo no nahitana fa sokatra miisa 112 no tao anatin’ilay valizy. Ny tao anatin’ilay fiara Jeep dia nahitana valizy miloko maitso misy sokatra miisa 107, raha nahitana sokatra dimy kosa, tao anatin’ilay fiara Audi. Tiana ny manamarika fa ilay fiara marika Jeep, dia tsy misy taratasy, izay nitondra ny solombavam-bahoakan’i Soavinandriana Itasy. Ilay fiara marika Audi koa, dia tsy mbola nahitana taratasy koa.
Fepetra noraisina…
Fantatra fa ireo sokatra ireo, dia anisan’ny karazana biby voaaro eto amin’ny firenena ka voarara ny fitrandrahana, famarotana sy fanondranana azy. Nogiazana avy hatrany moa ireo sokatra sy fiara roa. Nisokatra nanomboka io alin’ny talata io ny fanadihadiana ilay solombavambahoaka niaraka tamin’ireo « assistant parlementaire » roa sy mpanolotsaina ara-teknika roa eo anivon’ny parlemanta. Nampandrenesina ny tomponandraikitra ao amin’ny ONG TSA « Turtle Survival Alliance » Talatamaty/ Antananarivo. Nampahafantarina koa ny Lehiben’ny mpiandraikitra ny « Rano sy Ala » Ambohidratrimo « Cantonnement ». Notazomina vonjimaika ato amin’ny zana-tobim-paritra Antehiroka ireo sokatra miisa 112, raha nogiazana kosa, ireo fiara miisa roa. Hiakatra fampanoavana amin’ity anio ity ny raharaha, raha tsy misy ny fiovana.
Miseholany ny fitrandrahana sy fanondranana an-tsokosoko rehetra, rehefa andro fety toy izao. Izany indrindra no mahatonga ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany manamafy ny fiambenana rehefa vanim-potoana mialoha, ao anatiny, ary aorian’ny fety. Ho an’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD) manokana, hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitandro filaminana ho fampanjakana ny filaminana. Nahitam-bokatra io fiaraha-miasa io.
Pierre M.




