Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
AMBATOMENA AMBOSITRA : Lehilahy enina indray maty tao anaty lavaka karieram-bato
Zava-doza no nitranga tao amina karieram-bato iray ! Lehilahy miisa enina no indray namoy ny ainy tao anaty lavaka karieram-bato, ao amin’ny toerana antsoina hoe Ambatomena, fokontany Fiherenantsoa, kaominina Sahatsiho Ambohimanjaka, distrikan’Ambositra. Ny alatsinainy lasa teo no efa nahazo antso tamin’ny sefo fokontany any an-toerana ny mpitandro filaminana, dia nizaha ifotony momba ny zava-nisy marina. Lehilahy roa 30 taona sy 22 taona no efa hita faty tao amin’ilay karieram-bato izay nitadiavan’izy ireo vato sarobidy io. Ny efatra ambiny kosa, tsy mbola tafavoaka satria manano sarotra sy miparitaka ny entona anaty lavaka, izay mirefy manodidina any amin’ny 50 m. Mbola erotrerony avokoa ireo tanora niharan-doza tao anaty lavaka kariera ireto satria dia misy 27 taona roa, raha 23 sy 24 taona kosa, ny lehilahy roa ambiny. Tonga nijery ny zava-misy tany an-toerana ny governoran’ny Faritra, Richard Rakotomalala » Prefe Ambositra ». Nandraisana fepetra avy hatrany aloha, fa ajanona ny resaka fitrandrahana, ao an-toerana. Nisy ny ezaka manokana tanterahina, hahafaha-mitady vahaolana, ny hakana ireo razana miisa efatra, tsy mbola tafavoaka, izay azo antoka fa efa namoy ny ainy. Natolotra ireo fianakaviana ny razana, rehefa vita ny fizahana. Mbola any an-toerana koa ireo zandary manohy ny fanadihadiana, mahakasika ity tranga namoizana aina enina be izao. Ilam-pitandremana fatratra ny resaka fitrandrahana toa izao, indrindra efa ao anatin’ny vanim-potoana fahavaratra isika izao.
Rado Harivelo




