
Manokana Covid-19
FIHIBOHANA SY FAHASALAMANA: Ilaina ny mandrindra ny fifandraisana amin’ny hafa
Mba hahazoana fahasalamana anaty fihibohana, ilaina ny fahaiza-mandrindra ny fifandraisana amin'ny hafa.
Fepetra tsy maintsy noraisina teto amintsika ny fihibohana, hanenana ny fiparitahan’ny valanaretina nandritra izay “Hamehana ara-pahasalamana” izay. Nanjaka tamin’izany, anefa, ny tsy fifandraisana tamin’ny hafa, na ny fianakaviana, mpiara-miasa, mpiara-mianatra, saingy ny ankohonana no nifanerasera betsaka. Nambaran’ny dokotera Andriamiarinarivo Miarintsoa, mpitsabo mikasika ny fiankinan-doha sy ny ara-tsaina, fa maro ireo olana noho izay fifaneraserana teo amin’ny mpianakavy iray trano izay. Eo ny fifamaliana teo amin’ny mpivady, Ray aman-dReny sy zanaka, noho izany. Vokany, fantatra fa maro ireo nanatona mpitsabo, nilaza fa marary an-doha matetika, miakatra tosi-drà, tsy mahita tory sy ny sisa. Ny fahatomombanana ilaina amin’ny maha olombelona, anefa, tsy ny ara-batana sy ara-tsaina ihany, fa eo koa ny ara-pifandraisana, izay tena ilaina amin’izao vanim-potoana iainana izao. Raha eo amin’ny fiainan’ankohonana, nahitana tombony betsaka ny fifaneraseran’ny mpianakavy, nandritra izay fihibohana tsy nahafahana niasa sy nianatra izay. Ny mifanohitra amin’izany koa, anefa nisy, dia ny fifandonana vokatry ny rarin-tsaina naterak’ireo olana samy hafa. Araka izany, misy ny fifampiresahana tokony haorina ao an-trano, hanatsarana ny fifandraisana, indrindra raha sendra olana. “Eo ireo teknolojia maro, toy ny fesiboky sy aterineto, ary finday, saingy tokony hahena izany, mba hisian’ny fifampiresahana mivantana”, nanampy fanazavana ny dokotera Miarintsoa. Nambarany koa, fa anatin’ny vatan’ny olombelona misy filana miteny sy miresaka, ary maneho hevitra, ka raha ireo no voasakantsakana, dia tsy hanjary ny atao rehetra. Ilaina ny fanehoana mivantana ny ao anaty, hampirindra koa ny fahasalamana sy hanatsarana fifandraisana. Ho an’ny ankohonana, mila ampitomboina io fifampiresahana io, anaty fotoana maha mety azy. Ezahina koa ny fanaovana fiteny tsy mandratra ny hafa, ary misy fiteny tokony hatsaraina mba hanasoa ny hafa. Araka izany, mba hahomby eo amin’ny fifandraisana amin’ny hafa, dia tsy mety ny mahery setra fiteny, ilaina ny fifampihainoana, ary tsy tokony halaky hiteny. Betsaka kokoa mantsy, ny tombony amin’ny fihainoana ny hafa. Ilaina koa ny fahaizana mahazo ny hafa, mba tsy hivoahan’ny fiteny tsy mendrika. Ilaina koa ny fandrisihana eo amin’ny fiaraha-miaina, mifankahery hihatsaran’ny zava-bita. Ilaina ny mifanome fankaherezana. Ny tsy fifankahazoan’ny roa tonta mantsy no ahitana taratra fa tsy nisy fifampijerena izay tsara vita.