PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
DEPIOTE SY MPIARA-MIASA AMINY 4 NIDOBOKA TSIAFAHY: Fanondranana sokatra sy fanamparam-pahefana no isany iampangana azy ireo
Niakatra fampanoavana tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) tetsy 67 Ha, ilay solombavambahoaka voafidy tany Itasy sy ireo mpiara-miasa aminy efatra. Omaly vao maraimbe, tamin’ny 1 ora tany ho any vao fantatra fa nidoboka am-ponja any Tsiafahy. Isan’ny vesatra iampangana azy ireo, ny fikasana fanondranana an-tsokosoko ireo sokatra miisa 112, fanamparam-pahefana, fandavana baiko, famotsiana renivola…
Tsy misy ambony lalàna ! Tsy afa-bela ilay solombavambahoaka voafidy tany amin’ny distrikan’Itasy sy ireo mpiara-miasa aminy efatra. Niakatra fampanoavana tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) tetsy 67 Ha, ilay solombavambahoaka sy ireo efatra mirahalahy. Omaly vao maraimbe, tamin’ny 1 ora tany ho any vao fantatra fa naiditra am-ponja any Tsiafahy, miandry ny fotoam-pitsarana azy, izy ireo. Isan’ny vesatra iampangana ity solombavambahoaka ity sy ny namany, ny fikasana fanondranana an-tsokosoko ireo sokatra miisa 112, fanamparam-pahefana, fandavana baiko, famotsiana renivola, fitadiavana tombontsoa amina fananana fahefam-panjakana (trafic d’influence).
Nasongadin’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, Max Fontaine, omaly fa « tsy misy fandeferana ho an’ireo rehetra tafiditra anatin’ny fanararaotana ny harena voajanahary. Nametraka fitoriana rahateo ny minisitera ary mitaky ny hampiharana ny sazy faran’izay henjana ho an’ireo voampanga amin’ity raharaha ity, na na olon-tsotra na manam-pahefana. Irosoana ny fanadihadiana lalina, mba hamongorana tanteraka ireo tambazotra mpanao trafika ». Miisa 2499 ireo sokatra sarona, saika varotana na aondrana an-tsokosoko tamin’ity taona ity raha ny vaovao avy amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy.
Nambaran’ny filoha nasionalin’ny Antoko Freedom, Lalatiana Rakotondrazafy tao amin’ny rindrin-tseraserany Facebook omaly, fa « efa dingana lehibe izao, momba ny ady amin’ny tsimatimanota ». Notsiahiviny fa io solombavambahoaka io efa tafiditra tamina afera maloto, dia ilay resaka kolikoly tamin’ny fanadinana ho mpianatra mpitsara tamin’ny andron’ny HVM, ilay nahamay ny taratasim-panadinana iny. Fa tsy nisy tohiny moa ny raharaha. Tamin’ny fifidianana depiote izy io tena nangala-bato ary nametraka fitoriana maro ny mpifanandrina taminy, fa tsy mba nohenoina sy tsy nojerena akory ny porofo rehetra nentin’izy ireo.
Sokatra miisa 112 tanaty valizy…
Raha tsiahivina, nanatontosa fisafoana ny zandary tetsy amin’ny zana-tobim-paritra Antehiroka, ny laokandron’ny omaly, tamin’ny 7 ora hariva mahery kely. Fiara iray marika « Audi » nijanona teo amoron-dalana namindra valizy tao amin’ny fiara iray marika « Jeep » no nampiahiahy. Taorian’ny fisavana, dia sokatra miisa 112 no tratra ka depiote voafidy tany amin’ny Faritra Itasy ny iray voasaringotra, raha mpiara-miasa aminy ireo efatra tra-tehaka. Tsy nanaiky ny fisavana ny fiarany moa io nilaza fa solombavambahoaka io satria manana « immunité parlementaire » araka ny voalazany. Niezaka nandresy lahatra azy ireo ny Zandary ka nanaiky ny nanaraka tany amin’ny Biraon’ny zana-tobim-paritra Antehiroka ihany nony farany ireto mpanao trafika. Nanaiky an-tsitrapo ny fisavana ny fiara moa ilay nilaza fa solombavambahoaka. Tiana ny manamarika fa ilay fiara marika Jeep, dia tsy misy taratasy, izay nitondra ny solombavam-bahoakan’i Soavinandriana Itasy. Ilay fiara marika Audi koa, dia tsy mbola nahitana taratasy koa.
Pierre M.




