PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
RAHARAHA VOLAMENA 53,7kg: Nalefa eny Tsiafahy ireo telo lahy voarohirohy
Nidoboka am-ponja vonjimaika ireo telo lahy voarohirohy tamin’ny raharaha volamena 53,7Kg. Taorian’ny nampiakaran’ny Fadintseranana ny antontan-taratasy fitoriana teny anivon’ny « Pôle Anti-Corruption » ny alakamisy 26 desambra 2024 dia nanapa-kevitra ny PAC fa aiditra am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy izy telo mirahalahy. Tsiahivina fa mpiasan’ny ministeran’ny raharaham-bahiny ny roa ary ilay olona saika hanondrana an-tsokosoko ny volamena ny fahatelo. Ilay olona fahaefatra voarohirohy kosa dia mbola karohina hatramin’izao. Ny mpiasan’ny Fadintseranana no nanatitra azy telo mirahalahy teny Tsiafahy ny alin’ny alakamisy 26 desambra 2024.
Raha tsiahivina, ny Alatsinainy 23 Desambra 2024 teo dia volamena milanja 53,7 kg no nokasaina haondrana an-tsokosoko, ary sarona teny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato. Tsy tanteraka anefa izany satria dia ravan’ny teo anivon’ny fadintseranana Malagasy sy ny mpitandro ny filaminana ny tambazotra mpanao asa ratsy saika hanatanteraka izany. Nisy ny angom-baovao mari-pototra azo avy amin’ny fiaraha-miasan’ireo tomponandraikitra mahefa eny amin’ny seranampiaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato. Nampiarina ihany koa ny fomba fiasa vaovao amin’ny fanaraha-maso hentitra ny fivezivezena.
Taratasy fahazoan-dalana hosoka no saika nampiasain’izy ireo ka mpiasa eo anivon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny no tompon’antoka tamin’ny fanaovana izany. Araka ny fampitam-baovao dia tsy manana ny fahefana ny hanao izany ary nisandoka andraikitra ilay tompon’antoka. Efa nisy avy hatrany ny filazana fikarohana navoaka momba azy io, izay mitondra ny anarana hoe Soananata Fanambinana Julien Dersen. Ilay olona nikasa hitondra ilay volamena kosa dia voatazona ary eo am-pelatanan’ny manampahefana hanaovana famotorana. Ny volamena tratra kosa dia efa napetraka ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara (BFM).




