Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao

KITRA AFRIKANINA: Tafakatra amin’ny dingana famaranan’ny CHAN 2025 ny Barea A’

Anisan’ireo firenena 16 hiady ny amboaran’ny CHAN 2025 ny Barea A’ an’i Madagasikara na dia resin’i Eswatini 1 no ho 0 aza teo amin’ny lalao miverina teo amin’ny fifanintsanana CHAN. Efa nanana tombony ny Barea an’i Madagasikara tamin’ny lalao mandroso raha naharesy an’i Eswatini 2 no ho 0 tao amin’ny kianja Lucas Masterpiece Moripe, any Pretoria – Afrika Atsimo ny 21 desambra teo. Dingana goavana no vitan’ny Barea A’, hiatrika ny fiadiana ny amboaran’ny CHAN fanindroany amin’ny taona ho avy, raha efa niatrika izany ny taona 2023 ary nitana ny laharana fahatelo, nandresy an’i Niger 1 no ho 0 teo amin’ny fiadian-toerana fahatelo raha resin’i Sénégal 1 no ho 0 teo amin’ny antsasadalana. Na dia tsy hiatrika ny CAN 2025 aza ny Barea A dia manana solontena kosa isika Malagasy eo anivon’ny CHAN 2025.
Raha tsiahivina ny fihaonan’ny Barea A’ an’i Madagasikara sy Sihlangu Semnikati an’ i Eswatini dia, nifandanja ny roa tonta teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, nisaraka tsy nisy nitoko teo ampialan-tsasatra. Nifandimby ny fanafihana teo amin’ny fizarana faharoa, nanana tombony i Eswatini ka nahatafiditra baolina iray teo amin’ny faha-85 minitra. Niezaka nitady ny baolina faharoa i Eswatini nanomboka teo ka nisesisy ny fanafihana nataony, tany amin’ny 90 minitra mahery dia saika nahita baolina faharoa ry zareo fa soa ihany fa mbola nahavita niaro tsara ny harotony tsy hikobana i Nina mpiandry tsatoby an’ny Barea A’.
Hotanterahina ny 1 febroary hatramin’ny 28 février 2025 ao Kenya sy Tanzanie ary Ouganda ny CHAN 2025 ka firenena 16 no hiady ny amboara, kianja 4 no handray ny lalao 32 amin’izany.
Njaratiana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer