Songadim-baovaoSosialy

FARAN’NY TAONA SY TAOM-BAOVAO: Fanamby ny hiatrehana ny fety am-pilaminana

Ankatoky ny faran’ny taona hitsenana ny taona vaovao toy izao, dia maro ny tranga tsy fandriam-pahalemana mety hiseho etsy sy eroa, eny anivon’ny fiarahamonina samihafa eny. Tanjon’ny eo anivon’ny Polisim-pirenena anefa, ny hanaovan’ny vahoaka malagasy rehetra ny fety am-pilaminana sy am-pahatoniana tanteraka. Eo anatrehan’izany indrindra, dia nisy ny fidinana ifotony notanterahin’ireo tompon’andraikitra vitsivitsy misahana ny filaminam-bahoaka eto amin’ny Faritra Analamanga, izay notarihan’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny Contrôleur Général de Police, Rakotoarimanana Herilala, sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky, tamina toerana vitsivitsy mahavory olona be eto an-dRenvohitra. Nanombohana izany teny amin’ny faritra 67Ha sy Isotry, nitohy teny Andravoahangy, ary nifarana teny Analakely. Nisy ny fihaonan’ny Minisitra sy ireo tompon’andraikitry ny filaminana samihafa eo anivon’ny Polisim-pirenena mivantana tamin’ireo mponina, izay nahitana ireo mpivarotra sy mpandalo, ary mponina amina fokontany samihafa. Nanadihadiana azy ireo ny zava-misy mateti-piseho mandritra ny fetin’ny faran’ny taona tahaka izao eo amin’ny lafiny tsy fandriam-pahalemana. Nisy koa ny toromarika nomena azy ireny, raha sendra tranga tsy fandriam-pahalemana tampoka, na mahita olona na fivarotana sy ny sisa, mety iharan’ny tsy fandriam-pahalemana, mba hampandre avy hatrany ny manam-pahefana akaiky azy ireo, hanamora ny asa ratsy mety ho afitsok’ireo olon-dratsy. Tsy vitan’io fidinana ifotony natao omaly io ihany akory, ny fampandriana fahalemana tanterahin’ny Polisim-pirenena mandritra ity faran’ny taona ity, fa hitohy izany anio alina mandra-paharain’ny andro, ary manditra ny tontolo andron’ny alarobia 01 janoary 2025. An’arivo moa ny Polisim-pirenena indray hahetsika mandritra ity anio ity sy rahampitso, ho fanamafisana izay filaminana mandritra ny fety izay. Ao ireo hisahana ny fandrindrana ny fifamoivoizana, raha tsy vitsy koa ireo hidina eny rehetra eny ka hatreny an’elakelan-trano hanao fisafoana sy fisavana ireo izay mety hampiahiahy. Nirary fety sambatra ho an’ny rehetra hitsena ny taona vaovao 2025, ny fianakaviam-ben’ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer