PolitikaSongadim-baovao
TOJO RAVALOMANANA: Manao fiavin’ny tafara, manao fisainana bontolo
Rehefa nangina sy tsy nandrenesam-peo nandritra ny andro maro i Tojo Ravalomanana taorian’ny namoahan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) ny voka-pifidianana vonjimaika feno ny 20 desambra 2024 teo, dia naneho hevitra indray ny tenany omaly, teny Faravohitra. Nanaitra ny rehetra ity fanehoan-kevitra ity satria toa olona tezitra sy manao be fiavy no nandray fitenenana. Ny mampametra-panontaniana voalohany dia hoe taiza i Tojo Ravalomanana no tsy niteny nandritra izay elanelam-potoana lavabe izay fa izao vao manao fiavin’ny tafara ? Raha nanana olana tamin’ny voka-pifidianana voka-pifidianana navoakan’ny Ceni ny tenany dia maninona no izao vao maneho hevitra. Mety ho nisafidy ny hangina ka nanaraka izay fepetra ambaran’ny lalàna tokoa angamba ? Izany hoe, nametraka fitoriana teny amin’ny fitsarana miady amin’ny Fanjakana? Na izany aza, eo amin’ny tontolo politika ny tsy fanehoana hevitra taorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana vonjimaika dia midika no fankatoavana ankolaka ny vokatra.
Krismasin’i Heroda ?
Araka ny efa nahafantarana azy, olona sahirana na dia amin’ny fandaharan-teny monja aza i Tojo Ravalomanana. Omaly, taorian’ny adihevitra be mahakasika ny toriteny nataon’ny Filohan’ny FJKM, ny Mpitandrina Irako Ammi Andriamahazosoa, dia nohamafisin’i Tojo Ravalomanana mihitsy fa ny Mpitondra ankehitriny no tiana ambara fa nanao “Krismasin’i Heroda”. Nialokaloka tao ambadiky ny maha toriteny azy foana mantsy iny resaka iny hatrany am-piandohana, fa ingahy Tojo Ravalomanana no nanabaribary azy fa fanehoan-kevitra politika tanteraka no tiana nambara. Mpino ao amin’ny fiangonana FJKM maro no tafitohina tamin’ireny fanehoan-kevitra ireny, ary tsy nankasitraka ny fampidirana politika ny fitondram-piangonana.
Fanaovana fitaovana politika
Fomba fiady efa fanaon’ny mpanohitra nandritra ny taona maro ny famendrofendroina ireo vahoaka sahirana, indrindra ireo mipetraka eny ambany tanàna. Omaly, nilaza indray i Tojo Ravalomanana fa ataon’ny Fitondrana ankehitriny fitaovana politika ireo vahoaka eny ambany tanàna, ka tokony tsy hanaiky an’izany. Ny fizarana vary azy ireo mandritra ny vanimpotoan’ny fety ve no ilazana fa atao fitaovana politika ireo vahoaka sahirana ? Tsy mendrika ny mba hifaly sy hanao fety toy ny olon-drehetra ve izy ireny ? Raha vahaolana maharitra sy fampivoarana ny fiainany indray no asian-teny, dia efa manana ilay tetikasa fanofanana arak’asa ireo vehivavy sahirana sy mananon-tena ny Fitondram-panjakana, izay notanterahina hatramin’ny fiandohan’ity fepotoam-piasana faharoa ity. Olona analiny no efa nisitraka izany, izay afaka hamorona asa avy hatrany ho an’ny tenany fa tsy hiantehitra amin’ny hafa intsony. Ankoatra izay dia maro ireo ezaka ataon’ny Fitondrana hampivoarana ny fiainan’ireo marefo saingy inian’ny fanoherana tsy jerena izany, ka ilazan’izy ireo fa atao fitaovana politika fotsiny ireo ambany tanàna.
Raha ny marimarina kokoa angamba ny fizahozahoana sy ny fanambaniana ataon’ny fanoherana azy ireo no mahatonga ireo vahoaka eny ambany tanàna sy miraika amin’ny fanoherana eto amintsika, dia avadika indray hoe ny Mpitondra no manao fitaovana politika azy ireny.
Ny Fanoratana.




