PolitikaSongadim-baovao

RESY TAMIN’NY FIFIDIANANA… : Mandrangaranga fanakorontanana indray ny Mpanohitra

Mazava tamin’ny mpanara-baovao fa iny fifidianana Ben’ny tanàna farany teo iny no irika farany nandrandrain’ny mpanohitra hahafahana mitarika ny fanonganana ny Fitondrana mijoro ankehitriny amin’ny alalan’ny fakana an’Antananarivo. Hatreto anefa dia hita fa nitsifotra tanteraka izany, raha niainga tamin’ny voka-pifidianana vonjimaika feno navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana ny 20 desambra teo. Vokatra vonjimaika izay heverina fa tsy hisy fiovana firy, na dia eo aza ireo fitoriana samihafa izay tsy maintsy mbola kirakirain’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana. Ity farany moa no misahana ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialy amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina.
Eo anatrehan’izany indrindra dia tapi-dalan-kaleha ireo vondron’ny mpanohitra ka manambana ny hanakorontana indray. “Asa fa tsy kabary no ilaina”, hoy i Rina Andriamasinoro, Sekretera jeneralin’ny Antoko TIM, raha nanentana ireo mpitarika ny Vondron’ny mpanohitra mba hihetsika amin’izay fa tsy hijanona amin’ny resabe fotsiny. Nanaiky ankolaka mihitsy moa ity mpanao politika ity fa tsy olana na hisy krizy aza eto amin’ny firenena mba hanesorana ny Mpitondra ankehitriny. Fanambarana izay mampametra-panontaniana ihany raha tena tombontsoa ambonin’ny firenena marina no katsahin’ireo mpanao politika mpanohitra na tombontsoa manokana. Efa nambara ombieny ombieny fa tsy nitondra vokatsoa teto amintsika mihitsy ny fisian’ny krizy niverimberina. Ankehitriny i Madagasikara efa modely aty Afrika amin’ny fifandimbiasam-pahefana demokratika, dia hiverin-dalana ho any amin’ny fanonganam-panjakana indray ve ?
Ingahy Siteny Randrianasoloniaiko moa dia nidina ambany dia ambany mihitsy milaza fa “raha tena vonona dia handao atao iray sy iray”. Afangaron’ity mpanao politika ity tanteraka ny maha mpanao fanatanjahantena azy sy ny maha mpanao politika azy. Nitaky ny hanomezana ny kianjan’ny 13 mey moa ny tenany mba hanehoana hevitra sy hampisehoana hery, araka ny nambarany. Mahatsikaiky ihany satria raha fanehoan-kevitra sy fampisehoan-kevitra no tiana atao dia tsy misy manery azy ireo ho eo amin’ny kianjan’ny 13 mey mihitsy fa azo atao any amina toerana hafa maro izany. Saingy iniana takina ny fidirana eo amin’ny 13 mey satria eo no hahafahana manainga ny fikasana fanakorontanana rehetra.
Raha tsy misy fiovana moa dia amin’ity volana janoary ity no hivoaka ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana.
Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer