PolitikaSongadim-baovao

TAONA 2025 : Handray ny fitantanana ny FFKM ny Monsenera Raoelison Jean de Dieu

Anjaran’ny Eglizy Katolika Apostolika Romanina indray no mitarika ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara amin’ity taona 2025 ity, araka ny fifandimbiasana andraikitra eo anivon’ny FFKM. Ny Monsenera Raoelison Jean de Dieu, Arsevekan’Antananarivo indray izany no hitàna ny toeran’ny Filohan’ny FFKM, raha ny Rev Dr Rakotozafy Denis, Filohan’ny FLM no nitana izany tamin’ny taon-dasa. Raha tsy misy ny fiovana dia hatao amin’ny alahady 19 janoary ao amin’ny FLM 67 ha ny fifamindrana andraikitra mifandraika amin’izany.
Ao anatin’izany rehetra izany, miainga amin’ny hafatra navoakan’ireo Raiamandreny ara-panahy farany teo dia hankalaza an’Andriamanitra noho ny faha-45 taona nijoroan’ny FFKM isika amin’ity 2025 ity ka ho fantatra eo ihany ny tohin’ny fandaharam-potoana.
Tsiahivina fa ny 30 Jolay 2023 no napetraka tamin’ny fomba ofisialy amin’ny maha arsevekan’Antananarivo azy ny Monsenera Raoelison Jean de Dieu. Nialohan’ny nanendren’ny Papa Fransoa azy teo amin’izany toerana izany, dia efa voatendry ho Eveka mpanampy teto amin’ny diôsezin’Antananarivo izy, talohan’ny nanendrena azy ho Evekan’ny diosezin’Ambatondrazaka. Fitantanana voalohany ho azy araka izany ity maha Filohan’ny FFKM azy ity.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer