Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
TRANO FONENAN’NY MPIANATRA – ONIVERSITEN’I FIANARANTSOA: Nitrangana firehetana, efitra 12 rava, mpianatra 170 traboina
Adina mpifankatia no nambaran’ireo mpianatra manodidina fa nitarika io firehetana tao amin’ny trano fonenan’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten'i Fianarantsoa io. Ny alin’ny sabotsy lasa teo no nitrangan’izany. Vokany, efitra 12 no rava, nisy ny entana may, ary mpianatra manodidina ny 170 no tsy manan-kialofana.
Nijoalajoala ny afo tao amin’ny “cité Prefat N”, trano fonenan’ny mpianatra ao amin’ny Oniversiten’Andrianjato Fianarantsoa, tamin’ny alin’ny sabotsy lasa teo, nanomboka tamin’ny 09 ora. Nitrangana firehetana tao an-toerana izay naharitra ora roa teo, hoy ny fanazavan’ireo nanatri-maso. Tamin’ny 11ora alina mahery 10 minitra, voafehy ary maty ny afo. Teo anelanelan’izay, tonga avy hatrany teny an-toerana ny mpamonjy voina nanomono ny afo, niaraka tamin’ny fifanomezan-tanana’ireo manodidina. Tonga nanao ny fandaminana sy ny fanadihadiana ihany koa ireo mpitandro filaminana. Ireo mpianatra, tetsy an-kilany, dia niezaka namoaka ireo entana azo navotana. Tsy nisy aloha ny naratra na ny namoy ny ainy.
Vokatr’izao fahamaizana izao, efitra 12 no rava. Ny 6 amin’izy ireo no may tanteraka niaraka tamin’ireo entana tao anatiny, saingy ny 6 hafa kosa dia voatery tsy maintsy noravana mba hisorohana ny fihitaran’ny afo. Mpianatra manodidina ny 170, araka izany, no traboina tsy manan-kialofana.
Raha ny fanazavan’ireo mpianatra hatrany dia adina mpianatra mpifankatia no niteraka izao loza izao. Rehefa avy niady nifanenjika teny an-tokontany izy ireo, hoy ireo mpianatra tao amin’ny “cité”, dia nitohy tao an’efitra ny fifamaliana. Nanomboka nandorondoro ny tovovavy ka lasibatra ny diplaoma, ny kidoro ka ireo no nihitatra nahatonga ny firehetana. Hatreto, andrasana ny valin’ny fanadihadiana manamarina ireo lazan’ny manodidina ireo.
Manoloana io tranga io, nandray ny andraikiny avy hatrany ny avy eo anivon’ny Oniversiten’i Fianarantsoa sy ireo tompon’andraikim-panjakana any an-toerana. Nisy omaly maraina ny fivoriana niaraka tamin’ireo OMC. Nitohy tamin’ny fijerena ifotony ny vokatry ny loza sy ny fifampiresahana tamin’ny solotenan’ireo mpianatra.
Isan’ny fepetra noraisina ny nanokanana efitra manokana eny amin’ny R+ mba handraisana ireo mpianatra rava trano. Nanome baiko avy hatrany ireo mpiara-miasa aminy mba hanomboka ny fanamboarana ihany koa ny filohan’ny oniversiten’i Fianarantsoa. Ankoatra izay dia efa nihatrana teny an-toerana ny avy amin’ny Jirama mba hamerina ao anatin’ny fotoana fohy ny herinaratra izay tapaka noho io fahamaizana io. Fantatra moa fa mbola hidina any an-toerana ihany koa ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa hijery akaiky ny zava-nitranga sy hitondra vahaolana.
Sarobidy Sidonie.




