PolitikaSongadim-baovao
FITANTANANA NY DIOSEZIN’I FARAFANGANA :Tafapetraka amin’ny fiketrahana ny Monsenera Marcellin Randriamamonjy
Tontosa omaly alahady 05 janoary 2025, ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy araka ny fombam-piangonana Katolika, ny Monsenera Marcellin Randriamamonjy, izay Eveka vaovaon’ny Diosezin’i Farafangana. Naneho fahavononana amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Fiangonana sy ny Fanjakana, ary ny Fiarahamonina ao Farafangana ny Monsenera…
Rehefa notendren’ny Papa François ho Evekan’ny Diosezin’i Farafangana, ny Monsenera Marcellin Randriamamonjy, ny alakamisy 31 oktobra 2024, izay nitantana ny Diosezin’i Fenoarivo Atsinanana teo aloha, dia napetraka tamin’ny fomba ofisialy araka ny fomban’ny Eglizy Katolika, tamin’ny alalan’ny Sorona masina lehibe, izay notanterahina tao amin’ny tokontanin’ny EKAR Katedraly Fo Masin’i Jesoa Farafangana, omaly alahady 05 janoary 2025. Izy no Eveka nandimby an’i Monsenera Gaetano Di Piero, izay nitondra ny Diosezin’i Farafangana, nanomboka ny 03 marsa 2018 ka hatramin’ny oktobra 2024 teo. Raha ny angona azo mikasika ny tantarany, dia teraka ny 12 aprily 1963 tao Sandrandahy, Diosezin’Ambositra, i Monsenera Marcellin Randriamamonjy, ary tao ihany izy no nanomboka ny fanabeazana fototra. Rehefa nahavita ny seminera zandriny tao Fianarantsoa izy dia nanohy ny fiofanana ho Pretra tao amin’ny Seminera zokiny Ambatoroka Antananarivo, ny taona 1984 ka hatramin’ny 1992. Ny 30 aogositra 1992 izy no nohamasinina Pretra, ary nanomboka niasa tao amin’ny Diosezin’i Fianarantsoa. Nanohy ny fianarana izy teto ka hatrany am-pita, ary ny 10 febroary 2009 izy no voatendrin’ny Papa Benoît faha-16 ho Evekan’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana, ka hatramin’ny 31 oktobra 2024, ary izao voatendry sy napetraka ho Evekan’i Farafangana izao. Teny faneva entin’i Monsenera Marcellin, ny hoe « Mandehana amin’ny fitiavana tahaka an’i Kristy… » (Efezianina 5,2).
Haneho fiaraha-miasa amim-pahatsorana
Nambaran’ny Eveka vaovaon’i Farafangana, fa ny finoana no mampiombona eo amin’ny samy kristianina, izay fianakaviana iray avokoa na ny avy any Fenoarivo Atsinanana tafatambatra amin’ny ao Farafangana, tamin’ny fanotronana azy omaly io. Izany dia nahitana taratra ny fifankatiavana eo amin’ny Eglizy miara-dia, hoy Monsenera Marcellin. Nomarihany, fa hiezaka amin’ny fahaiza-miara-miasa amim-pahatsorana amin’ny ao Farafangana ny tenany, na ara-panjakana izany na ara-piarahamonina. Tao amin’ny tokontany malalaky ny EKAR Katedraly Fo Masin’I Jesoa Farafangana, no nanatanterahana ny Lamesa nametrahana ny Eveka vaovaon’i Farafangana.
« Administrateur Apostolique »
Ny Kardinaly Désiré Tsarahazana aloha no notendren’ny Papa Fransoà ho « Administrateur Apostolique » ao amin’ny Diosezin’i Fenoarivo Atsinanana, tamin’izao nanendrena ny Evekany ho ao Farafangana izao, izany hoe mitantana vonjimaika mandra-panendry indray izay ho Eveka vaovao. Nambaran’ny Filohan’ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara, Monsenera Marie Fabien Raharilamboniaina, fa tsy ho ela izay fanendrena izay raha ny vaovao azo avy any Rôma. Ny volana Jona 2025 izao, no fantatra fa hisy ny fihaonan’ireo Eveka rehetra eto Madagasikara amin’ny Papa Fransoà, any Rôma.
Nangonin’i Stan R.



