Songadim-baovaoSosialy
TOETRY NY ANDRO: Mety hisy fiforonana rivodoza ny alahady izao
Mety hisy ampahan-drahona miaraka amin’ilay “zone de convergence inter-tropicale” mety hahakasika ny tapany avaratr’i Madagasikara, ny sabotsy ho avy izao, araka ny vina teo anivon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Mety hisy orana matevina, amin’ny faran’ny herinandro ity. Ny alahady ho avy izao kosa, dia mety hisy fiforonana rivodoza izay arahi-maso manomboka amin’izao fiandohan’ny herinandro izao, izay mitoetra any atsinanan’ny morontsiraka avaratra atsinanan’i Madagasikara. Mbola manjavozavo kosa, ny mety ho lalan’ity rivodoza ity, raha toa ka hiforona. Hidina ihany koa ny maripàna saika manerana ny Nosy, fa indrindra any amin’ny faramparan’ny herinandro, ary hisongadina indrindra izany amin’iny tapany avaratr’i Madagasikara iny. Raha ny mandrafitra ny toetry ny andro ato anatin’ny telo andro misesy, dia mahazo vahana hatrany ny Tsioka atsinanana ho an’ny morontsiraka atsinanana sy ny afovoan-tany. Mitoetra kosa ny orana tandrifin-drahona mitsitokotoko amin’iny ilany andrefan’ny Nosy iny, izay tombanana hiitatra ho an’ny ilany andrefan’ny afovoan-tany sy ny atitany atsimon’i Madagasikara iray manontolo any amin’ny fisasahan’ny herinandro.



