Songadim-baovaoSosialy
ANDRO RATSY MIFORONA: Hivadika rivodoza rahampitso, hanambana an’i Madagasikara ny faran’ny herinandro
Raha ny alahady ho avy izao no vinavina mety hisian’ny fiforonana rivodoza voalazan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, dia mizotra haingana ny atmosfera, ka omaly no nahitana izay firofonana andro ratsy izay. Mivoatra haingana izany ka hivadika rivodoza rahampitso alakamisy izy io, raha ny vinavina, ary hanambana ny Nosy ny sabotsy ho avy izao…
Misy andro ratsy miforona any atsinanan’ny Ranomasimbe Indiana, ka omaly tamin’ny 09 ora maraina teo dia tany amin’ny manodidina ny 3195 Km atsinanan’Antalaha no nisy ny foibeny. Miha mahazo vahana miandalana ny rahom-baratra manodidina ity faritra andro ratsy ity tato anatin’ny 24 ora farany, ary nikisaka niakandrefana izy ka nahafaka 20 ka hatramin’ny 25 Km/ora. Na dia tomombana aza ny hafanan’ny ranomasina sy ny hamandoana amin’ny faritra manodidina azy dia mitsoka mafy kosa ny rivotra any amin’ny tsy taka-maso, ka manelingelina ny fivoarany ato anatin’ny andro vitsy manaraka. Ankoatr’izay anefa, raha ny singa azo avy amin’ny zanabolana sy ny mari-drefy voaray omaly maraina io, dia manodidina ny 45 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, ary mahatratra 55 Km/ora izany anaty oram-baratra.
Mivoatra haingana…
Manoloana izany, raha ny fironana ato anatin’ny dimy andro manaraka araka ny angon-kevitra voaray omaly, dia vinavinaina hikisaka haingana hiakandrefana ity faritra andro ratsy miforona ao atsinanan’ny Ranomasimbe Indiana ity ato anatin’ny efatra andro manaraka, ka hanambana ny ilany avaratra atsinanana na afovoany atsinanan’ny Nosy, ny Sabotsy ho avy izao. Vinavinaina hitombo hery izy ka mety ho lasa rivodoza ny Alakamisy 09 janoary 2025 vao maraimbe, ary mety hahatratra ny tanjaka “Forte Tempête Tropicale” izy mialohan’ny hidirany an-tanety. Nomarihan’ny teo anivon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, fa savaranonando ihany io vinan’ny lalan’ny rivodoza io, satria mbola tsy miforona ilay andro ratsy ka mahasarotra kokoa ny fanaovana vinavina. Ankoatra izay, ity faritra andro ratsy ity, noho izany, no handrafitra ny toetry ny andro eto Madagasikara amin’ny faran’ny herinandro ity.
Mila mailo sahady…
Entanina manokana ao anatin’izany ny mponina amin’ny faritra Diana, SAVA ary Ambatosoa, mba hanaraka akaiky ny ho fivoaran’ity tranga ity. Niangaviana sahady ihany koa, ny tsirairay mba hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony amin’ny fanamafisana ireo fepetra fiatrehana ny vanim-potoan’ny fahavaratra sy ny rivodoza. Na izany aza, tsy mbola misy ny filazana loza mikasika ity andro ratsy miforona ity. Ny foibe famanatarana ny toetry ny andro kosa, dia manara-maso akaiky ny fivoaran’ity tranga ity.
Nangonin’i Stan R.



