PolitikaSongadim-baovao
VONDRONA ANTOKO POLITIKA MANOHANA NY FILOHA : Miantso fandraisana fepetra amin’ireo minia manakorontana
Nanao fanambarana nilaza ny zava-misy eto Madagasikara tao anatin’ny enin-taona nitondran’ny Filoha Rajoelina ny vondrona antoko politika manohana an’i Andry Rajoelina. Namafisin’izy ireo tamin’izany ny fanohanana ny asa sy ezaka rehetra ataon’ny Fitondram-panjakana mijoro…
Tao anatin’izay enin-taona nitondran’ny Filohan’ny Repoblika ankehitriny, Rajoelina Andry, an’i Madagasikara, dia niarahan’ny rehetra niaiky fa tao anatin’izay fotoana izay dia tsy mora ny nanarina ny fahavoazana lalina sy ny lavaka mangitsokitsoka nisy ny firenena, vokatr’ireo gaboraraka, kolikoly, sy fitantanana tsy nahomby tany aloha. Anisan’izany ny fisian’ireny asa maro be nolazaina fa natao, namoahana volam-panjakana kanefa tsy nisy akory, ny trangana fanodikodinam-bolam-panjakana maro sy ny sisa. Mbola ao anatin’ny fanarenana hatrany anefa ankehitriny, ary tsy takona afenina ny ezaka natao mba tsy hisian’ny fandanindaniam-bolam-panjakana tsy voahevitra. Eo koa ny ady amin’ny kolikoly sy ny ady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena, ny fanavaozana nentina mikasika ny tsenam-barom-panjakana, ary ny fifehezana ny fitantanam-bolam-panjakana mba tsy ho tantely afa-drakotra. Teo anatrehan’ireo fifidianana nisesy dia efa naneho ny heviny tamin’ny fifidianana nifanesy ny vahaoka malagasy, ary fomba fanao mahazatra ny resy amin’ny fifidianana ny fanakianana fifidianana sy filazana fisiana hala-bato, kanefa tsy mitondra porofo mitombona sy mazava. Toherin’ny vondron’antoko nanao fanambarana ireo izany, melohina ny fambolena fanakorontanana amin’ny endriny rehetra eto amin’ny firenena, araka izany tadiavin’ny avy amin’ny fanoherana atao amin’izao fotoana izao, ka hanararaotana izay fifidianana izay ho fitaovana hambolena krizy vaovao.
Fahasahiranana maneran-tany
Efa miteraka fahasahiranana goavana eo amin’ny fiainan’ny vahoaka malagasy ankehitriny ny fisondrotry ny vidim-piainana sy ny olan’ny famatsiana jiro sy rano ka tsy tokony ampiana trotraka amin’ny fambolena fikorontanana ara-politika, izay hisy fiantraikany goavana amin’ny toekaren’i Madagasikara. Araka ny vinan’ny Tahirim-bola Iraisampirenena (FMI) ao anatin’ny tatitra « perspectives de l’économie mondiale » tamin’ny Oktobra 2024, dia mbola mavesatra ny ambana ara-toekarena (risques économiques) noho ny ady misy eo amin’i Ukraine sy Russie sy any Moyen-Orient, ary ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fidangan’ny vidin’ny angovo sy ny sakafo maneran-tany. Indrindra ho an’ny firenena andalam-pandrosoana tahaka an’i Madagasikara sy ny firenena afrikana maro izay mbola miankin-doha amin’ny fanafarana entana avy any ivelany. Amin’ity taona 2025 ity vao tombanana hidina 4,3% ny salan’ny tahan’ny sondro-bidim-piainana maneran-tany (moyenne du taux d’inflation mondiale) raha mbola 5,8% izany tamin’ny taon-dasa. Ny salan’ny tahan’ny fitombon’ny harinkarena maneran-tany kosa (moyenne du taux de croissance mondiale) dia mbola
tombanan’ny FMI ho marefo dia marefo satria 3,2% monja, ary mbola ambanin’ny tahany talohan’ny valan’aretina COVID araka io tatitra io. Midika izany fa tsy i Madagasikara irery ihany no misedra
fahasahiranana ara-toekarena sy ara-tsosialy fa maneran-tany mihitsy, noho ny antony maro miseho eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izay tsy miankina amintsika malagasy. Marihina, fa raha ny tarehimarika navoakan’ny Banky iraisam-pirenena tao anatin’ny tatitra « Madagascar, vue d’ensemble » ny Oktobra 2024, dia tsara kokoa noho ny salan’isa maneran-tany (moyenne mondiale) ny tahan’ny fitombon’ny toekarena (croissance économique) ho antsika malagasy, satria 4,5% izany ny taona 2024, raha 3,8% monja ny taona 2023. Vinavinain’ny Banky iraisam-pirenena ho eo amin’ny
manodidina ny 4,6% izany ny taona 2025. Mbola hanamafy ny ezaka nefa ny fitondram-panjakana malagasy amin’ny alalan’ny famadihana ho indostrialy ny firenena (industrialisation) sy ny fanovana goavana amin’ny lafiny fambolena (transformation agricole) mba hisian’izay fitomboan’ny harinkarena bebe kokoa izay. Tahaka izany koa ny tahan’ny sondro-bidim-piainana (taux d’inflation) izay voafehy ho 7,6% tamin’ny volana Jolay 2024, raha tafakatra 12,4% izany tamin’ny Martsa 2023. Mbola tombanan’ny Banky Iraisam-pirenena hitohy izany fihenana izany ka vinavinaina ho 7,3% amin’ity taona 2025 ity. Ekena fa tena mbola ao anaty fahasahiranana tanteraka ny firenentsika, kanefa kosa dia tsy azo odian-tsy hita ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana hanamaivanana izany, ary manamafy izany ireo tarehimarika navoakan’ny Banky iraisam-pirenena sy ny tahirim-bola iraisam-pirenena. Azo tsapain-tanana ny asa, indrindra eo anivon’ireo fianakaviana tena sahirana
izay misitraka ireny tetikasa ara-tsosialy marobe ireny.
Manoloana izany indrindra dia manamafy ny Vondron’antoko fa manohana tanteraka ny asa sy ezaka rehetra ataon’ny fitondram-panjakana mijoro tarihan’ny Filoha Andry Rajoelina, ary mamporisika azy hanohy hatrany ny fitadiavana vahaolana ho an’ny vahoaka malagasy. Matoky ny vahoaka malagasy tsy vakivolo mba tsy hanaiky ho rebirebena ka hatao fitaovana amin’izany fanakorontanana izany. Ao anatin’ny filaminana ihany no hahafahana manarina ny firenena sy mamaha ny olana rehetra ara-tsosialy sy ara-toekarena eto Madagasikara, ka aoka tsy ho voasarika amin’ny fandranitana fifampiandaniana ary fifandonana samihafa isika vahoaka malagasy. Manao antso avo koa ny vondron’antoko manohana ny Filoha, mba ho hentitra ny tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny sy ny mpitandro filaminana amin’ny fandraisana fepetra araka ny lalàna manan-kery ho an’ireo rehetra mikotrika izany fanakorontanana izany, na iza izy na iza ary tsy asiana fanavahana. Omaly tetsy Antaninarenina no nanaovana io fanambarana io, nataon’ireo Filohan’antoko politika maro, dia ny AND, AKFM, AKFM FANAVAOZANA, AVANA, AVI, FREEDOM, GFFM, HIARAKA ISIKA, LIARAIKE, MAITS, MDM, RPSD, TGV, Groupe parlementaire GPRI, Groupe parlementaire UPAD, Ny Fireneko, M.A.F. (AVOKO), ireo Loholona sy Depiote rehetra manohana ny Filoham-pirenena, ary ireo mpikambana avy amin’ny antoko LEADER FANILO.
Stan R.




