Songadim-baovaoToekarena
VARY AVY ETO AN-TOERANA: Tsy tokony hihoatra ny 1000Ar ny kapoaka
Ao anatin’ny vanim-potoan’ny maitso ahitra izay mampiakatra ny vidim-bary isika eto Madagasikara saingy tsy manamarina ny fiakarana tsapa fa mihoapapana misy ankehitriny kosa izany, hoy ny nambaran’ny Filohampirenena Andry Rajoelina omaly nandritra ny Filan-kevitry ny Minisitra voalohany notanterahana tamin’ity taona vaovao ity. Raha ny zava-misy, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, dia betsaka loatra ny kolikoly ataon’ny tompon’andraikitra isam-paritra mahakasika io sehatry ny vary io. Fantatra fa misy ny tahiry sy ny toerana misy izany raha sendra misy ny fanafenana saingy tsy misy ny fandraisan’andraikitra.
Raha ny hita eny an-tsena ankehitriny, amin’ny karazany maro ireo vary avy eto an-toerana azo hisafidianan’ireo mpanjifa. Samy mamaritra izay vidiny mety aminy ny isam-paritra, hoy ny fanazavana nentin’ny Minisitry ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra Ralambofiringa David. Ny any amin’ny Faritra Diana, ohatra, dia 1 200Ar hatramin’ny 1 400Ar ny kapoakan’ny vary vokatra eto Madagasikara. Mbola ambonin’izay ny “Vary Manitra”. Any Boeny kosa dia 1 000Ar hatramin’ny 1 200Ar ny kapoakan’ny vary avy eto an-toerana. Ho an’ny eto Analamanga, 950Ar ny vary Tsipala, 1 200Ar ny kapoakan’ny vary Makalioka. Mbola hita ihany koa io fiakaram-bidy io any amin’ny vary nafarana avy any ivelany. Tafakatra hatramin’ny 1 200Ar ny kapoaka any amin’ny Faritra Diana. Manodidina ny 850Ar hatramin’ny 1 000Ar kosa izany eto Analamanga.
Anisan’ny fepetra famaritana ny vidim-bary eto amintsika ny lalan’ny vary sy ny habetsak’ireo mpisehatra mandra-pahatonga eny amin’ireo mpanjifa. Rehefa natao, araka izany, ny kajy rehetra dia tsy tokony hihoatra ny 1 000Ar ny kapoakan’ny vary Makalioka avy eto an-toerana, hoy ny Minisitry ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra. Ho an’ny vary avy any ivelany kosa dia tsy tokony hihoatra ny 900Ar izany.
Misy, araka izany, ny fanararaotana amin’ny fampiakarana ny vidim-bary amin’izao fotoana. Paikady efa ampiharin’ny Ministera ny fandefasana ireo tompon’andraikitra manamafy fanentanana amin’ireo mpisehatra mba tsy hisian’ny fanararaotana. Mihatra avy hatrany ny lalàna ho an’ireo izay mbola minia manao izany. “Tsy azo atao sy tsy azo ekena ny fisian’ny fanararaotana”, hoy ny Filoha. Toromarika nomeny ny Ministera sy ireo tompon’andraikitra rehetra, noho izany, ny hoe mila mametraka ny tombony ara-drariny alainy ireo mpisehatra amin’ny vary. Mila mifampitsinjo, mifampiantra sy tsy mifanararaotra. Ary tsy misy toerana eto Madagasikara ny fanararaotana. Araka izany, tanjona napetraky ny Filoha ny hoe ato anatin’iray volana sy tapany farafahelany dia tsy maintsy hahena ny vidim-bary. Ho an’ny vary nafarana dia tsy maintsy mihena ho 740Ar ny kapoaka. Ho an’ny vary vokatra eto Madagasikara kosa, tanjona ny mba ho zakan’ny rehetra ny vidim-bary hapetraka. Harahi-maso avokoa ny tombony alain’ireo mpisehatra amin’ny vary manelanelana mandra-pahatonga azy eny an-tsena.
Sarobidy Sidonie.




