Songadim-baovaoSosialy

ANDRO RATSY MIFORONA: Hivadika rivodoza ka hahazo anarana “Dikeledi”

Tamin’ny 03 ora tolak’andron’ny omaly dia tany amin’ny 2200 Km Atsinanan’Antalaha no nisy ny foiben’ilay andro ratsy miforona ao amin’ny Ranomasimbe Indiana. “Dépression Tropicale” hatrany ny sokajy misy azy, satria 55 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 75 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana haingana izy ka nahafaka 35 Km/ora. Tombanana hitombo hery hatrany izy ka mety ho lasa rivodoza na “Tempête Tropicale
Moderée” omaly alina, na anio vao maraim-be. Raha izay no mitranga dia hitondra ny Anarana hoe “DIKELEDI” izy. Manambana ny tapany Avaratra Atsinanan’ny Nosy ity andro ratsy miforona ity ny Sabotsy ho avy izao, amin’ny tanjaka “Cyclone Tropical”. Ho fiomanana manoloana izany dia niangaviana ny mponina amin’ny faritra Diana, SAVA ary Ambatosoa, mba hampihatra ny fepetra mikasika ny filazana fanairana miloko maitso. Niangaviana ihany koa ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny “Cap d’Ambre” sy Vatomandry mba hiverina an-tanety ny Zoma hariva, ary tsy hiandriaka intsony mandra-pahalasan’ny loza. Entanina ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.

Nangonin’i Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer