PolitikaSongadim-baovao
TOJO RAVALOMANANA : Tsy tao anaty lisi-pifidianana, isan’ireo nangataka « ordonnance »
Nibaribary tanteraka nandritra ny valandresaka nataon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) omaly fa fanakorontanana sy filamboatsiary fotsiny ihany ny fanambaran’ny mpanohitra fa halabato no ambadiky ny fampiasana « ordonnance » tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna. Nivoitra omaly mantsy fa na ny kandidàn’ny mpanohitra Tojo Ravalomanana aza dia mba isan’ireo nangataka izany ary nahazo, noho izy tsy tafiditra tao anaty lisi-pifidianana.
Ho fanajana ny zon’ny olona rehetra izay manan-jo hifidy no nametrahana tamin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina farany teo ny fahafahana mangataka « ordonnance » eny anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany mba hahafahana misoratra anarana ao amin’ny lisi-pifidianana tovana, ka handraisana anjara amin’ny fifidianana. Izany hoe, ireo olona tsy tafiditra tao anatin’ny lisitra nikatona ny 15 mey 2024 no afaka nanao io fangatahana io. Nanerana ny Nosy dia niisa 68 479 ireo nahazo ny “ordonnance” avy amin’ny Fitsarana. Ho an’ny teto Antananarivo Renivohitra manokana, dia niisa 34 988 ireo nahazo izany nanerana ireo boriborintany enina. 2 079 tamin’ireo ihany anefa no tonga nandrotsa-bato tamin’ny andron’ny fifidianana, izany hoe 5,94%.
Tato anatin’ny herinandro vitsy izay, dia novoizin’ny mpanohitra fa fitaovana nampiasain’ny Ceni sy ny Fitondram-panjakana nentina nangalaram-bato tamin’ny fifidianana, indrindra teto Antananarivo, ny nampiasana ireny “ordonnance” ireny. Fanambarana izay tsy ananan’izy ireo porofo akory na kely aza. Ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety nataon’ny Ceni omaly indray aza no nahalalana fa isan’ireo nangataka ary nahazo ny “ordonnance” koa ingahy Tojo Ravalomanana Kandidà Ben’ny tanàna teto Antananarivo Renivohitra. Tsy tafiditra tao anatin’ny lisi-pifidianana nikatona ny 15 mey teo mantsy ny tenany. Ny 03 oktobra 2024, tonga tao amin’ny Ceni ny Filoha teo aloha Ravalomanana niaraka tamin’ny mpiaradia taminy nametraka taratasy milaza ny tokony hamelana ireo olona manan-jo hifidy hangataka “ordonnance” eny amin’ny fitsarana mba hahafahany misoratra ao amin’ny lisi-pifidianana. Inian’ny Mpanohitra sy ny Ekipan-dRavalomanana tsy resahina mihitsy anefa izany ankehitriny fa mivadika indray ny resaka hoe ny Ceni no niketrika halabato tamin’ireny “ordonnance” ireny.
Tsy tokony ho kandidà ?
Nilaza Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, mpamakafaka politika, fa nataon’ny mpanohitra maty henjika sy nanaovana « incitation à la haine » mihitsy ny Filohan’ny Fitsarana Ramatoa Rasololalao Hortense Angèle fa hoe nanao « ordonnances » na didy hitsivolana nanome baiko ny fampidirana ny olona tsy voasoratra anarana tanaty lisi-pifidianana ao anatin’izany lisitra izany. “Satria moa izy tsy afaka mamaly noho ny « obligation de réserve » mifehy azy dia tena nanaovana angaredona mihitsy. Dia nefa izy ihany koa no nanome ny « ordonnance » nibaiko ny fanoratana an’i Tojo Ravalomanana ao anatin’ny lisi-pifidianana, mba ho afaka hilatsaka hofidiana sy hifidy teto Antananarivo Renivohitra. Dia ahoana, rehefa ny olona hafa no nomeny ordonnances dia hala-bato izay no nataony fa rehefa ny kandidanareo mihitsy dia mety ny nataony?”, hoy Lalatiana Rakotondrazafy nametraka fanontaniana.
Raha ny lojikan’ny mpanohitra izany no arahina ka hoe tsy ara-dalàna daholo ny « ordonnances » tamin’iny fifidianana iny dia tokony tsy ara-dalàna koa izany ka tsy tokony azo ekena koa io « ordonnance » azon’i Tojo Ravalomanana io ? Dia tokony tsy ara-dalàna zany ny naha-kandida azy tamin’ny fifidianana ben’ny tanana teto an-drenivohitra.
Midika izany fa hevitra tsy misy mitombina mihitsy no hanoheran’ny mpanohitra ny zotram-pifidianana notanterahina teto amintsika. Amin’ity volana janoary ity moa no andrasana ny voka-pifidianana ofisialy avy amin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana izay miandraikitra ny fikirakirana ireo karazana fitoriana mifandraika amin’ny fifidianana.
LR.




