Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FANODINKODINAM-BOLA 50.266.695 AR : Nidoboka am-ponja ny Lehiben’ny Jirama ao Amparafaravola

Taorian’ny fiakaran’ny Lehiben’ny Jirama ao Amparafaravola, R.A.E tetsy amin’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly na ny « PAC », omaly, dia nidoboka am-ponja etsy Antanimora izy. Araka ny loharanom-baovao, ny 26 desambra 2024 dia nisy « ST », izay mitory ny lehiben’ny Jirama ao Amparafaravola, izay voalaza ho nanodikodim-bola mitentina 50.266.695,84 Ar, izay an’io orinasa io ihany. Nisy, araka izany ny fitadiavana sy fikarohana ity lehiben’ny Jirama ao Amparafaravola ity. Ny alin’ny faha 03 hifoha ny 04 janoary 2025, dia nahazo loharanom-baovao, ny avy amin’ny Zandarimariam-pirenena fa niainga avy any Antananarivo ho any Ambatondrazaka ity olona tadiavina fatratra ity. Natao avy hatrany, araka izany, ny sakana teo Vohidiala, ary tra-tehaka teo izy. Natao andrimaso tao amin’ny borigadin’Amparafaravola. Taorian’ny famotorana natao an’ity lehiben’ny Jirama ao Amparafaravola ity, dia natolotra ny Fitsarana ny tenany.
Rehefa niakatra fitsarana tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany anefa ny tenany, dia nilaza ny teo anivon’ny Fitsarana ao Ambatondrazaka, fa tsy mahefa hitsara ity tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Jirama ao Amparafaravola ity, fa ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly no nisahana izany. Voatery nampakarina taty Antananarivo, araka izany, ny voampanga. Omaly ihany dia efa nandeha teo anivon’ny Pac na ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly ny raharaha, ka izao niafara tamin’ny fampidirana am-ponja eny Antanimora ny lehiben’ny Jirama ao Amparafaravola izao.
Ny Fanoratana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer