KolontsainaSongadim-baovao
MPANAKANTO “JYEUHAIR”: Hanao seho voalohany eto Madagasikara ny 10 sy 11 Janoary izao
Mpanakanto malagasy mivoy ny gadona Rap sy Hip Hop, nivoatra tao anatin’ny fandaharana “nouvelle école” tao amin’ny Netflix, ny taona 2024, i Jyeuhair. Efa manana ny toerany ara-mozika eo amin’ny sehatra iraisampirenena ny tenany ankehitriny. Mandalo eto Madagasikara i Jyeuhair amin’izao fotoana ary hanatanteraka seho voalohany ho azy eto an-toerana, ao amin’ny ONY House Ambatobe ny 10 sy 11 janoary ho avy izao manomboka amin’ny 07ora hariva. “Fotoana tsy manam-paharoa izy io satria tsy isan’andro isika no ahita an’i Jyeuhair tonga eto Madagasikara”, hoy I Henintsoa, tomponandraikitry ny Serasera eo anivon’ny Yas Madagascar. Marihana fa manohana ity hetsika ity moa ny Yas Madagascar ho fanohizana ny foto-kevitra efa nijoroany hatramin’izay, dia ny fanohanana ireo talenta malagasy. Jyeuhair manokana dia tafiditra ao anatin’izany ka mendrika ny hotohanana. Izao fanohanan’ny Yas izao ihany koa dia tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina malagasy sy ny talenta malagasy.
“Faly aho hampahafantatra ny mpankafy malagasy ny tena ataoko sy ny gadona voiziko marina. Hafana noho izany ity fiarahana ity , manana daty roa ihany koa aho izay hahafahako mivelatra tsara”, hoy Jyeuhair.
Tsara ho fantatra fa ao amin’ny tapany voalohany dia ny mpanakanto Joyce Mena no hiaka-tsehatra. Ny tapakila kosa dia efa ao jifaina eny an-toerana na amin’ny alalan’ny mailaka eric.projet.ony@gmail.com.
Randriah.



