Songadim-baovaoSosialy
RIVODOZA DIKELEDI: Hiditra an-tanety eo anelanelan’i Vohémar sy Antsiranana II
Manambana ny Faritra Avaratra atsinanan'ny Nosy ilay rivodoza Dikeledi. Hiditra ao Antsiranana II na Vohemar izy, anio hariva na alina amin'ny heriny matanjaka. Efa mipetraka ireo fepetra filazana loza voarain'ireo Faritra sy distrika mety handalovany...
Niha nitombo hery ka nahazo ny tanjaka « Cyclone Tropical » na rivodoza mahery, i « Dikeledi ». Mitondra ny rivotra 145 Km/ora ny miaraka aminy, ary ahina hitondra tondra-drano, fiakaran’ny renirano sy ny fihotsahan’ny tany amin’ny tapany Avaratra manontolo, vokatry ny rotsak’orana betsaka mihoatra ny 100 mm isaky ny 24ora mandritra ny fandalovany. Ahiana ihany koa ny fiakaran’ny ranomasina amin’ny morontsiraka Avaratra Atsinanan’ny Nosy nohon’ny alon-drano mety hihoatra ny 8 metatra. Filazana izay voaray omaly tolakandro, tamin’ny 04ora hariva teo anivon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro. Omaly tamin’ny 03 ora tolak’andro dia tany amin’ny 596 Km Atsinanana somary Avaratra Atsinanan’i Sambava no nisy ny foiben’i Dikeledi. Niakatra ho 110 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 150 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana somary Avaratra Andrefana izy ka nahafaka 20 Km/ora. Misy, arak’izany filazana loza. Filazana Loza manambana miloko mavo, ao amin’ny faritra Diana sy Sava, ny Distrikan’ny Bealanana, Antsohihy ary Analalava. Filazana fanairana miloko maitso, ao amin’ny Faritra Ambatosoa sy Boeny, ny Distrikan’ny Befandriana Avaratra, Mandritsara, Mampikony ary Boriziny. Niangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Mahanoro mba tsy hiandriaka intsony mandra-pahalasan’ny loza. Toy izany koa ny eo anelanelan’ny Cap d’Ambre hatrany Besalampy manomboka anio atoandro. Entanina kosa, ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony amin’ireo Faritra sy distrika rehetra handalovan’ny rivodoza ity.
Stan. R




