PolitikaSongadim-baovao
SOLOMBAVAMBAHOAKA IRMAR : Mitaky ny hanesorana ireo tomponandraikitra tsy mahavita ny asany
Taorian’ny Vondrona antoko politika ARMADA dia ireo Solombavambahoaka maro an’isa miaraka ao amin’ny Vondrona Parlemantera « Isika Rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina – IRMAR » indray no nanao fanambarana omaly eo anatrehan’ny zava-misy eto amin’ny firenena ankehitriny, sy ny fanakorontana kasain’ny fanoherana hotanterahina.
Taonan’ny asa ity 2025 ity raha ireo asa rehetra voasoritra ao anatin’ny Programa ankapoben’ny Fanjakana (PGE) no jerena, hoy ny fanambarana nataon’ny Vondrona Parlemantera IRMAR omaly, tetsy Ivandry. « Mino izahay fa hitondra ainga vao sy fivoarana bebe kokoa amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara ny vina sy ny soridalana apetraky ny Fitondram-panjakana ao anatin’izany PGE izany », hoy ny fanehoan-kevitra nataon’izy ireo.
Nohamafisin’ireto Solombavambahoaka miara-dalana amin’ny Fitondram-panjakana ireto fa ireo tetikasa izay entin’ireo orinasa lehibe vahiny, mpampiasa vola sy ireo mpamatsy vola maro samihafa eto amintsika dia efa manomboka hita soritra sahady fa hisy fiantraikany mivantana na ankolaka amin’ny fiainan’ny vahoaka andavanandro.
Eo anatrehan’izany, manao antso avo ireto Solombavambahoaka ireto ho an’ny rafitra mpanatanteraka rehetra, manomboka aty amin’ny Fanjakana foibe, ny eny anivon’ny Faritra, hatrany ifotony, araka ny baikon’ny Filohan’ny Repoblika mba ho haingam-pamindra, hidina ifotony ary hijery akaiky ny tena mampangirifiry ny vahoaka. « Mitodika aminao izahay andriamatoa Filoham-pirenena, ary mangataka aminao ny hanasaziana sy hanalana ireo tomponandraikitra hita fa tsy mahefa ny adidy napetrakao sy ny vahoaka taminy », hoy ny fitakiana nataon’ireo depiote ireo.
Fanakorontanana
Etsy ankilany, manoloana ny fikasana fanakorontanana sy fihantsiana ataon’ny mpanohitra amin’izao fotoana, dia nilaza ireo Solombavambahoaka IRMAR, maro an’isa, fa tsy hisy fampandrosoana ho vanona mihitsy ao anatin’ny fanoherana bontolo. Ary tsy hisy fampandrosoana raha tsy misy filaminana. Notsiahivin’izy ireo fa ho fanajana ny demokrasia sy ny sata Repoblikanina dia notanterahina teto amin’ny firenena ny fifidianana samihafa, dia ny fifidianana Filohan’ny Repoblika ny taona 2023, ny fifidianana Solombavambahoaka sy ny Fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina ny taona 2024. Izany rehetra izany dia natao tamin’ny fanajana ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna velona hatrany.
Amin’izao fotoana anefa dia misy vondron’olona vitsy an’isa minia mamboly korontana sy mampiady ny samy malagasy. Nambaran’ireo depiote nanao fanambarana omaly fa efa mandroso vahaolana amin’ireo karazana sedra atrehin’ny vahoaka ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny ady amin’ny fiakaram-bidim-piainana, ny famoronana asa, ny fitsinjovana ireo marefo sy zaza amam-behivavy, ny tantsaha sy ireo sokajin’olona samihafa.
Ankoatra izay, efa nanomboka ary mbola mitohy ny fametrahana ireo fotodrafitrasa goavana isan-tsokajiny heverina fa hitondra fampandrosoana haingana toy ny hopitaly, ny sekoly, lalambe migodana, ny tohodrano sy ny sisa. Araka izany, nanamafy ireto olom-boafidy ireto fa tsy vita indray andro ny fampandrosoana, ary manana adidy sy andraikitra amin’izany avokoa ny hery velona rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena.
Araka izany, manameloka tanteraka ny teny, fihetsika sy ireo zavatra rehetra izay hitarihana korontana taorian’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpanolontsaina farany teo ireto Solombavambahoaka ireto.
Nangonin’i LR.




