Trangam-piaraha-monina
ISORAKA: Sivily iray maty voatifitry ny Polisy namany teo amin’ny lohany
Sangisangy sa hatezerana natera-javatra ? Mpitandro filaminana avy amin’ny Polisim-pirenena iray, no nahavono olona tampoka tetsy Isoraka, tamin’ny alalan’ny basy fitondrany miasa, ny harivan’ny sabotsy lasa teo. Namany ihany io sivily io, raha ny tatitra avy amin’ny polisim-pirenena.
Teo am-piarahana nikorana izy ireo, no sendran’ny patsa iray tsy omby vava ity voalaza fa mpitandro filaminana. Tafiaraka ny samy mpinamana tamin’io takariva io, tsy voalaza kosa anefa, na nisy ny fisotrosotroana na tsia. Nisy ny sangisangy nifanaovan’ireto roa lahy, ny iray mpitandro filaminana mpianatra asa ao amin’ny Kaomisarià-n’ny boriborintany fahefatra, raha sivily kosa ny iray. Mbola teny amin’ity Polisy, anefa, ny basy fitondrany miasa, ka tamin’izany indrindra no namoahany tampoka ny basy teny an-tanany, ka nitifirany io namany io. Voa avy hatrany teo amin’ny lohany ity namany, ka nitarika ny fahafatesany teo noho eo. Nitolo-batana avy hatrany tamin’ny lehibeny ity polisy mpianatra asa ity, nilaza ny zava-nisy rehetra. Avy hatrany dia notanana tao amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava Anosy, io polisy io, nanaovana fanadihadiana amin’ny maha vono olona ity raharaha ity. Nentina eny amin’ny tranom-paty HJRA ny razana taorian’izany. Manoloana izao toe-javatra izao, nanome baiko avy hatrany ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny amin’ny tsy maintsy hanaovana fanadihadiana azy, eo anatrehan’ny filan-kevitra momba ny fitsipi-pifehana eo anivon’ny Polisim-pirenena, satria amin’ny maha heloka bevava azy, dia nisy koa fahadisoana arak’asa nataon’ity mpitandro filaminana voalaza fa mpianatr’asa ity. Mampanontany tena ny mpanara-baovao maro ity trangana fitifirana olona tsy nahy tetsy Isoraka ity. Tsy fantatra mazava hatreto ny tena zava-nisy marina talohan’io fitifirana io, saingy aorian’ny fanadihadiana vao mety ho fantatra ny tena zava-nisy, raha toa ka nisy fisotrosotroana, na koa fifamaliana teo amin’ny roa tonta ka mety nahatonga fisendaorana… Raha ny fanampim-baovao fantatra tamin’ity tranga ity ihany koa, avy namita asa handeha hanatitra ny basiny eny anivon’ny kaomisarià misy azy io polisy io, no nifanehitra tamin’ny namany, ka mbola naha teny am-balahany ny basy. Mipetraka ny fanontaniana ny amin’ny hoe, mbola tandindon’ny fanamparam-pahefana hatrany ve izao toe-javatra izao?




