
Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
FANAMPARAM-PAHEFANA AO AVARANDRANO : Mpiasam-panjakana maro mitaraina noho ny tsindry ataona Sefo Cisco
Manao ny ezaka ho amin’ny fampandrosoana ny fanabeazana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena satria ny fianarana no lova tsara indrindra. Mifanohitra amin’izay kosa, ny ataona Sefo Sisco iray ao Antananarivo Avaradrano, izay manome endrika ratsy ho an’ny minisitera foibe. Mpiasam-panjakana maro eo anivon’ny fanabeazam-pirenena ao Avaradrano no velon-taraina noho ny tsindry tanterahin’ity Sefo Cisco, ity. Isan’ireo nitondra fitarainana ny mpampianatra, Tale amina EPP, CEG, Sefo Zap, hatramina « Proviseur » aza. Nambaran’ireto mpiasam-panjakana eo anivon’ny fanabeazana distrikan’Avaradrano ireto, fa feno ny kapoaka manoloana ny fanamparam-pahefana mianjady azy ireo. Vao tsy manaraka ny tenin’ity Sefo Cisco ity dia iharan’ny fandrahonana famindrana toerana. Vitany mihitsy ny mihantsy ady eo am-pananganana saina sy mivazavaza eny imasom-bahoaka. Manala baraka ireo mpampianatra, ary mihantsy hanao « kick boxing » mihitsy. Manginy fotsiny ny fampisaraham-bazana ireo mpiasa eo anivon’Avaradrano, amin’ny alalan’ny fisiana fikambanana manavakavaka. Koa rehefa tsy « akamakama » dia tsy tafiditra ary tsy omena fanendrena mihitsy na dia efa niasa ela raha tsy « namanamana ».
Ankoatra ireo, mpampianatra vitsivitsy no nangataka fihaonana tamin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ka nandrahonana ilay Talena Epp iray, ho tsy mahafehy ny asany sy ny olom-peheziny. Araka ny loharanom-baovao, dia misy sefo Zap iray no manome loha io Sefo Cisco io, ka ireo tsy mitovy firehana ara-politika dia enjehina avokoa, eny fa na ireo heverina fa Vovonana manohana sy miara-dia amin’ny Filoha aza izany. Tsy voajery intsony, araka izany, ny resaka teknika fa lasa tafiditra tanteraka amin’ny lafiny politika ny fanabeazana, izay manimba tanteraka ny hoavin’ny fanabeazana. Koa manao antso avo ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, araka izany, ireto mpanabe sy mpiasa eo anivon’ny distrikan’Avaradrano ireto, mba hijery manokana izao olana izao, satria simba tanteraka ny lafiny fanabeazana raha mitohy izao.
Ny Fanoratana




