PolitikaSongadim-baovao

ANDRON’NY MANAMBONINAHITRA : Nanao antso ho amin’ny fitandroana firaisan-kina ny Filoha

Tahaka ny isan-taona dia nomarihina 12 janoary omaly, ny « Andron’ny manamboninahitra Malagasy ». Nandritra ity fankalazana ny « Andron’ny manamboninahitra » tao Iavoloha omaly, dia notsiahivin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, ny maha zava-dehibe ny anjara asan’ny Foloalindahy eo amin’ny fiarovana ny vahoaka sy ny fananany. Notsiahivin’ny Filoha koa anefa fa “manana anjara toerana lehibe amin’ny fametrahana ny fiandrianam-pirenena ny filaminana, sy ny fitoniana ary ny fiarovana ireo Andrimpanjakana repoblikanina ianareo”. Nanao antso avo, araka izany, ny Filoha fara-tampon’ny Foloalindahy hanatanterahan’izy ireo ny andraikitra ankinina aminy ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana. Nanamafy ny fahatokisany ny Foloalindahy ny Filoha Rajoelina, ary nanao antso avo amin’ny fitandroana hatrany ny firaisan-kina eo anivon’izy ireo, na amin’ireo manam-boninahitra izany, na ireo manam-boninahitra lefitra, na ireo miaramila an-daharana. “Ho lavitry ny ankaso anie ianareo, ary tsy ho voatariky ny fifampizarazarana, satria mazava ny vina sy ny tanjona ho tratrarintsika amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara”, hoy izy. Nomarihiny koa ny fahatokisany ny fanajan’izy ireo ny rafi-pibaikoana na “hierarchie”, sy ny fitsipi-pifehezana.
Fampizarazarana ny Foloalindahy…
Hafatra mafonja ny fitandroana ny firaisan-kina sy ny fiaraha-mientana eo anivon’ny Foloalindahy, indrindra amin’izao vanim-potoana izay fikasan’ny antoko politika mpanohitra sasany hanonzongozona ny fitondrana izao. Matetika tokoa mantsy dia fomba fiady fanaon’ireo izay manam-pikasana hanozongozona fitondrana ny fampizarazarana ny Foloalindahy. “Mahatoky tanteraka anareo ny tenako. Ary indrindra indrindra mba iredona ao am-ponareo, tsy ho afaka ao an-tsainareo ilay teny filamatra manao hoe ho an’ny Tanindrazana. Koa tandrovy toy ny anakandriamaso ny maha zava-dehibe ny mampitambatra fa tsy manavaka, ny mifanampy fa tsy mifamingana, ary indrindra ny mampiray fa tsy mizarazara. Ny miray fo sy tsy mifamadika”, io araka izany ny hafatra nampitain’ny Filoha Rajoelina ho an’ireo manamboninahitra, fa koa ho an’ny fianakaviambe ny Foloalindahy.
Ankoatra ireo manamboninahitra izay miasa eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika, nanotrona ity lanonana teny Iavoloha ity koa, ny jeneraly Sahivelo Monja Delphin, minisitry ny Foloalindahy, ny controleur general de police Rakotoharimanana Herilala, minisitry ny Filaminam-bahoaka, sy ny jeneraly Rakotondrazaka Andriantsarafara, minisitra delege misahana ny Zandarimariam-pirenena. Tiana ny manamarika fa ity daty ity izay mifaningotra amin’ny 12 janoary 1967, izay daty nidiran’ny andiany voalohan’ireo mpianatra ho manamboninahitra ao amin’ny Akademia miaramila ao Antsirabe. Tahaka ny isan-taona, manamarika izany ireo manamboninahitra miasa eo anivon’ny “Direction de la securite presidentielle” DRSP, sy ny Vondrona mpiaro ny Filohan’ny Repoblika na « Régiment de la garde présidentielle » (RGP). Nanatrika izany lanonana izay natao tao amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, ny Filoha Andry Rajoelina, izay Filoha fara tampon’ny Foloalindahy, araka ny voalazan’ny Lalàmpanorenana.
Fanamiana vaovao…
Araka ny fomba amam-panao miaramila, notolorana gisa izay antsoina hoe “oie traditionnelle”, ny Filoham-pirenena amin’ny maha raiamandreny azy. Nandritra ity fotoana ity koa no nanehona voalohany sy amin’ny fomba ofisialy ny fanamiana vaovao fitondra mianjaika na “tenue de parade” an’ireo miaramila eo anivon’ny RGP. Araka ny nasongadin’ny Kly Rakotondrasoa, komandin’ny RGP, dia tolo-tanana avy amin’ny Filoha Rajoelina no nahazoana ireto fanamiana vaovao ireto. Loko efatra no misongadina amin’izany fanamiana izany, dia ny fotsy, ny mainty, ny mavo ary ny mena. Ankoatra izay, nitokana ny “salle de musculation” vaovao izay natao ho an’ireo miaramilan’ny DRSP sy ny RGP koa ny Filoha. Fitaovana vaovao avokoa no ampiasaina ao amin’izany toerana izany. Nitsidika ny Dojo an’ny DRSP sy ny RGP izay vao nohavaozina koa izy.
Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer