Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FANODINKODINANA VOLAM-PANJAKANA : Olona roa voasambotra, vola mitentina 1.400.000.000 Ar nanjavona

Nisehoana fanodinkodinam-bolam-panjakana tao amin’ny Paositra malagasy ao Manandriana. Araka ny angom-baovao, ny alarobia 08 Janoary lasa teo, dia nahitana fahabangana vola mitentina 1.400.000.000 Ariary tao amin’ny kitapom-bolan’ny Paositra malagasy Manandriana, izay notantanan’i R.S.M.E, 47 taona « receveur ». Taorian’ny fidinana ifotony, fanaraha-maso, ary fitsirihina akaiky notanterahin’ny Talem-paritany sy ny Talem-paritry ny Paositra Malagasy avy any Fianarantsoa sy Ambositra no nahafantarana izany io fanodinkodinam-bola amina miliara io. Araka ny toromarika voaray tamin’ny Tale Jeneralin’ny Paositra Malagasy aty Antananarivo, dia ny Borigady misahana ny heloka bevava etsy Anosy, avy amin’ny Polisim-pirenena no misahana sy manatanteraka ny famotorana io raharaha io. Afakomaly, tamin’ny 10 ora maraina, dia nentin’ny zandary roa lahy ho aty Antananarivo io « receveur » Paositra malagasy ao Manandriana sy Rtoa vadiny izay mpiasa mpandray olona eo anivon’ny Paositra malagasy any an-toerana. Andrasana, araka izany, ny tohin’ny raharaha.
Pierre M.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer