
Songadim-baovaoSosialy
RIVODOZA DIKELEDI : Tafakatra 5216 ny traboina, tombanana mbola hitondra rotsak’orana betsaka
Mitohy hatrany ny fanangonana ny antontanisa vokatry ny fandalovan’ilay rivodoza CT Dikeledi tao amin’ny tapany Avaratry ny Nosy, izay tanterahin’ny eo anivon’ny BNGRC. Raha ny antontanisa azo hatramin’ny omaly hariva, dia tafakatra maherin’ny 5000 ireo traboina, nijanona amin’ireo olona 03 ny namoy ny ainy. Nandalo tao Mozambika ilay rivodoza…
Hatreto dia mbola olona 03 no namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ilay rivodoza CT Dikeledi teto Madagasikara. Tafakatra 5 216 na tokantrano 1 655 ireo traboina voarain’ny BNGRC, hatramin’ny omaly, tamin’ny 03 ora sy dimy tolakandro. Tamin’ireo traboina dia ny tao amin’ny Faritra SAVA no maro an’isa, izay mahatratra 3 203, raha 1 997 ny tao Diana, ary 11 ny tao Analanjirofo, ary 05 ny tao Sofia. Mahatratra 352 ireo olona nafindra toerana azo antoka, izany hoe tokantrano 83, ka ny 239 tao Vohemar, 12 tao Ambilobe, 06 tao Nosy Be, ary 95 tao Sambava. Toerana azo antoka miisa 06 kosa, no indray niasa namindrana ireo traboina, hatreto. Ireo namoy ny ainy miisa telo, raha hiverenana, dia lehilahy avokoa, ka ny irao tao amin’ny Kaominina Rantabe, Distrikan’Antsiranana II, ny faharoa Kaominina Ambodimanga Distrikan’i Maroantsetra, ary ny farany, tao amin’ny Kaominina Anivorano Nord, Distrikan’Antsiranana II. Tafakatra 1 297 ireo trano dibo-drano, 370 ireo nisy fahasimbana, ary 11 simba tanteraka. Efa andalam-panalana kosa, ny hazobe nidaraboka tamin’ny lalam-pirenena RN6 eo amin’ny PK 537+329, izay voalaza fa nanomboka tapaka ny marain’ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 03 ora maraina. Torak’izany koa, ny lalam-pirenena RN5a ao amin’ny Fokontany Manambery, Kaominina Ampondra, Distrikan’i Vohemar, izay difotry ny ranobe nanomboka ny alahady maraina teo, tamin’ny 06 ora. Efa andalam-panalana ihany koa, ny ranontany nanapaka ny lalana eo Ambodimanga, Kaominin’Ambinanin’Androvy.
Nandalo tao Mozambika…
Raha ny fanambarana mikasika ilay rivodoza Dikeledi, voaray teo anivon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly, tamin’ny 04 ora tolakandro, dia tany amin’ny 475 km Avaratra Andrefan’ny Distrikan’i Besalampy no nisy ny foibeny, omaly, tamin’ny 03 ora tolakandro, izany hoe niditra an-tanety tao Mozambika. Niakatra ho 140 km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 195 km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana somary Atsimo Andrefana izy, ka nahafaka 12 km/ora. Hikisaka mianatsimo atsinanana indray, ity rivodoza ity manomboka anio, ka tombanana handalo any amin’ny manodidina ny 200 km miala ny morontsiraka Atsimo Andrefan’i Madagasikara, rahampitso alarobia, na ny alakamisy, amin’ny tanjaka Rivodoza mahery vaika. Noho izany, dia mety hiitatra amin’ny morontsiraka Atsimo Andrefana ny tafio-drivotra hoentiny. Araka izany, tombanana hitondra rotsak’orana betsaka izy, mihoatra ny 80mm/24ora mandritra ny fandalovany, ka mety hiteraka fiakaran’ny renirano, tondra-drano amin’ireo toerana marefo, ranon-trambo sy fihotsahan’ny tany.
Filazana loza fanairana vaovao
Mba ho fiomanana ny amin’izany sahady, dia nametrahana filazana loza fanairana miloko maitso, ny ao Androy, Morombe, Toliara I-II, Sakaraha, Betioky Atsimo, ary Ampanihy. Ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Mitsinjo sy Morombe ihany koa, dia naharay izay filazana maitso izay, mba tsy hiandriaka mandra-pahalasan’ny loza. Eo koa ny anelanelan’i Morombe sy Tolagnaro manomboka anio maraina. Ny rehetra no entanina hanaraka ny toromarika omen’ireo tompon’andraikitra isan-tokony sy manam-pahefana eny ifotony, ny amin’ny fiavian’ny loza voajanahary tahaka izao.
Nangonin’i Stan R.



