Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FANONDRANANA AN-TSOKOSOKO : Olona roa tratra nitondra sokatra 24 sy rongony 120 kg

Nahazo angom-baovao marim-pototra avy amin’ny olona tsara sitrapo ny komandy Tobim-paritra zandarmaria Betioky Atsimo fa misy fiara 4×4 Nissan patrol avy any Atsimo hihazo ny RN 10 mitondra sokatra sy rongony. Avy hatrany dia nohamafisina ny sakana rehetra nampanaovina ny zandary amin’ny lalam-pirenena RN 10 sy RIC. Tra-tehaka teo amin’ny RN 10 PK 82+600, ao amin’ny tanàna atao hoe Andohasatra, fokontany ao ihany, Kaominina ambanivohitra Tameantsoa, distrikan’i Betioky Atsimo ilay Fiara Nissan Patrol laharana 8109 UC, afakomaly. Vokany, sokatra « radiatas » miisa 24 no tratra. Rongony folo (10) gony milanja 120 kg no tratra. Olona roa no voasambotra, izay nentina eny amin’ny Biraon’ny Tobim-paritra ilay fiara sy ny entana tratra ka atao andrimaso ao ireo roa lahy tratra, nogiazana ambalam-pamonjana, araka izany, ilay fiara. Misokatra ny famotorana sy ny fanadihadiana ka ny Tobim-paritry ny zandarimaria Betioky/Sud no misahana izany.
Fanentanana…
Manoloana ny firongatry ny fanondranana an-tsokosoko ireo sokatra. Nanatanteraka fanentana ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena niaraka tamin’ny Dredd Ambovombe Androy, tao amin’ny Kaominina Tranovaho, distrikan’i Beloha, ny farany taona lasa teo. Isan’ny nojerena ny fepetra tokony horaisina mba hiarovana ireo biby arovana, dia ny sokatra izany. Hampivondronana ireo vondrona rehetra izay voakasika amin’ny fiarovana ireo biby ireo, mba tena handray ny andraikitra manandrify amin’izy ireo tsirairay avy dia ny T.S.A sy ireo Mpilatsaka eo an-tanàna, izay napetraky ny DREDD hiaro sy hanaramaso ireo sokatra ireo. Hametraka paikady sy fiarahamiasa mahomby sy maharitra hiarovana ireo biby ireo, ary hanamafy ny fiaraha-miasa eo amin’ireo Vondrona miaro ireo sokatra ireo sy ny Zandarimariam-pirenena. Mitotaly 500 isa eo ho eo ny olona navory tao amin’ny kaominina Tranovaho, araka izany, izay ahitana sefo fokontany 60, miampy ireo solontenam-pokontany isanisany ary ireo mpikambana ao amin’ny T.S.A, izay misandrahaka any amin’ireo fokontany miaro sy manaramaso ireo sokatra ireo. Resy lahatra izy ireo, fa handray ny andraikitra manandrify azy ireo amin’ny fiarovana ireo biby arovana ireo. Vonona koa ny hiara-hiasa amin’ny mpitandro filaminana.
Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer