
PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA KAOMINALY : “Afaka mitory izay manana ahiahy, ka manana porofo”, hoy ny Filohan’ny HCC
Tokony hiandry am-pitoniana izay voka-pifidianana avoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana ny rehetra, hoy ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) Florent Rakotoarisoa, omaly teny Iavoloha, nandritra ny fiarahaban’izy ireo ny Filoham-pirenena mivady. “Io no rafitra misy eto amintsika, ka sarotra amintsika ny amorona rafitra vaovao indray”, hoy ny fanehoan-keviny. Notsindriany kosa anefa fa raha misy ahiahy , heverina fa mitombina, ary ananana porofo, amin’ny resaka fandikan-dalàna, eny na ny ataon’ny Mpitsara aza, dia azo toriana. Nahitsy ny Filohan’ny HCC nilaza fa tsy misy olona tsy azo toriana izany eto Madagasikara, rehefa ananana porofo ny fandikan-dalàna itoriana azy.
Ny Filoha Rajoelina kosa nandritra ny fandraisana ireto avy amin’ny HCC ireto dia nanipika fa ilaina ny fahamarinan-toeran’ny andrimpanjakana amin’ny fitantanana ny firenena. Raha tena tia tanindrazana dia tokony ho saro-piaro amin’ny fampandrosoana entina eto amin’ny firenena, hoy izy. Ary ilaina fitoniana ny eto amin’ny firenena.
Nohantitranterin’ny Filoha izany nandritra ny fiarahabana nataon’ireo Governora amin’ny Faritra 23 manerana ny Nosy azy. Nanome toky moa ireo Governora fa handray fepetra amin’ireo minia mivoy fanakorontana any amin’izay misy azy ireo tsirairay avy any.



