Manokana Covid-19

COVID-19: Latsaky ny 10% ny fiabon’ny fitiliana natao farany

Mihena hatrany ny taham-pitiliana covid-19 eto amintsika. Tao anatin’ny 24ora farany, fantatra fa latsaky ny 10%-n’ireo olona natao fitiliana ny tarehimarika nivoaka, raha ny teo anivon’ny CCO. Miisa 33 ireo tranga vaovao, ka faritra miisa sivy no nahitana izany. Nisy koa ny sitrana miisa 45, ary nisy ny lavon’ny covid miisa roa…

Tamin’ireo fitiliana miisa 472 natao tamin’ny alalan’ny fakana singa sy GenExpert, dia mahatratra 33 ireo nahitana ny tsimokaretina coronavirus, tamin’ny tarehimarika nomen’ny CCO. Latsaky ny 10% izany, raha ny fantatra. Tao anatin’ny herinandro vitsivitsy lasa izay, dia nihena hatrany io tahan’ny fitiliana io. Raha jerena, ohatra, tamin’ny 22 jolay dia efa tafiakatra 40% ny tahan’ny fiabon’ny fitiliana, ary nanomboka nihena tsikelikely izany. Raha fitiliana ny andron’ny sabotsy lasa teo, ohatra, dia 10%-n’ireo olona notiliana no nahitana tsimokaretina. Rehefa niampy io 33 io ireo marary efa voaporofo hatramin’izay dia mahatratra 15 352. Raha ny sitrana mahafeno fepetra indray, dia fantatra fa mitotaly 14 184, rehefa niampy 45 vaovao. Ny mbola manaraka fitsaboana indray dia miisa 966, rehefa nihena 16 nialan’ireo sitrana sy nodimandry. Niampy valo ireo marary mafy ka lasa 51 amin’izao fotoana. Nisy olona roa lavon’ny valanaretina covid, ka miisa 202 izy ireo ankehitriny. Eo amin’ny fitiliana PCR vita hatramin’ny alahady lasa teo indray, dia fantatra izao fa efa mananika ny 61 334, raha 6 325 ny an’ny teknika GenExpert. Tamin’ireo fitiliana miisa 472 natao farany, ny 439 tamin’izany no natao PCR, raha 33 GenExpert.

Tranga vaovao, sitrana sy lavo isam-paritra

Raha ny fitsinjarana isam-paritra ho an’ireo tranga vaovao sy ny sitrana, ary lavon’ny covid-19, dia fantatra fa teto amin’ny faritra Analamanga no nahitana ny 17 tamin’izy ireo. Nisy ny sitrana miisa roa, ary tsy nisy kosa ny lavon’ny covid. Tao amin’ny faritra Vakinankaratra tsy nahitana tranga vaovao, saingy nisy sitrana miisa fito, tsy nisy kosa ny lavon’ny covid. Faritra Bongolava nisy tranga vaovao miisa enina, tsy nisy ny sitrana sy lavon’ny covid. Ho an’ny faritra Matsiatra Ambony indray nisy tranga vaovao iray, nisy koa ny sitrana miisa roa, ary tao Fianarantsoa ny lavo iray, noraisin-tanana tao amin’ny hopitaly Andrainjato. Ho an’ny faritra Amoron’I Mania, dia tsy nahitana tranga vaovao, saingy nisy sitrana miisa telo, tsy nisy ny lavon’ny covid. Ho an’ny faritra Diana nisy tranga vaovao miisa telo, nisy kosa ireo sitrana marobe miisa 22, ka ny 16 tamin’izany tao Antsiranana avokoa, ary ny enina tao Ambilobe. Tsy nisy ny lavon’ny covid. Ho an’ny faritra Sava, nisy ny tranga vaovao miisa roa, nisy koa ireo sitrana miisa sivy, tsy nisy ny lavon’ny covid. Ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, nahitana tranga vaovao miisa roa, tsy nisy ny sitrana fa tao Toliara nisy maty iray, notsaboina tao amin’ny hopitalin’i Mitsinjo Betanimena Toliara.

Faritra efatra ahitana marary mafy

Faritra efatra no ahitana ireo marary mafy miisa 51 ankehitriny, ka ny 38 raisin-tanana eto amin’ny faritra Analamanga. Ny 25 ao amin’ny hopitaly Befelatanana, ny dimy raisin-tanana ao amin’ny hopitaly HJRA, ny telo etsy amin’ny hopitaly manara-penitra Andohatapenaka, ny iray raisin-tanana ao amin’ny hopitaly manara-penitra Anosiala Ambohidratrimo, ary ny efatra tsaboina etsy amin’ny CTC Mahamasina. Ny iray ao amin’ny faritra Vakinankaratra, hopitaly Antsirabe, ny 11 tsaboina ao amin’ny hopitaly Andrainjato Fianarantsoa, faritra Matsiatra Ambony, ary ny iray ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana, hopitaly Mitsinjo Betanimena Toliara.

Fermer