Songadim-baovaoSosialy

TAKAITRA NAVELAN’I DIKELEDI: Tafakatra 6 926 ny traboina, trano an’arivo dibo-drano sy rava

Mitohy hatrany ny fampahafantarana ireo antontanisa tsara ho fantatra mikasika ny fandalovan’ilay rivodoza CT Dikeledi, tany Avaratr’i Madagasikara, araka ny tatitra nahazoan’ny Birao nasionaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza (BNGRC) angona. Mitohy hatrany ny dian’i Dikeledi, ary ato anatin’ny ora vitsy dia handalo ny morontsiraky ny faritra Atsimo Andrefana izy, raha ny tombana…

Hatramin’ny omaly, mijanona ho 03 ireo nodimandry vokatry ny fiakaran-drano sy ny fianjerana hazo, tao amin’ny Distrikan’Antsiranana II sy Maroantsetra. Miakatra hatrany anefa, ireo traboina vokatry ny tondra-drano, izay efa mananika ny 6 326 olona, na 2 262 tokantrano, omaly tamin’ny 04 ora syu fahefany tolakandro. Ny ao amin’ny Faritra Diana indray, no mitarika ny loha laharana amin’izany, izay mahatratra hatramin’ny 3 707. Manaraka azy ao ny Faritra SAVA, raha 11 tao Analanjirofo, ary 05 Sofia. Nihena ho 113 ny olona nafindra toerana amina azo antoka, izany hoe 37 tokantrano. Ny 12 tao Ambilobe, 06 Nosy Be, 31 SAVA. Nihena ho 04 kosa, ireo toerana nandraisana ireo traboina tamin’ireo faritra sy distrika voalaza avy. Teo amin’ny lafiny fotodrafitrasa indray, dia tafakatra 1 297 ny trano dibo-drano, nitombo ho 1 076 ireo trano nahitam-pahavoazana, ary 203 no simba tanteraka. Miisa 82 ireo efitrano voakorontana tanteraka, 66 rava tamin’ny ampahany, raha 96 no simba tanteraka.

Mizotra hatrany i Dikeledi

Raha ny momba ilay rivodoza Dikeledi kosa, indray, hatreto tsy mbola levona fa vao maika aza, mahazo hery sy manohy ny diany hatrany, raha efa avy nandalo tao Mozambika, raha ny tatitra efa natao. Raha ny tatitra voaray teo anivon’ny “Météo madagascar”, omaly tamin’ny 10 ora maraina, dia tany amin’ny 680 km somary avaratra andrefan’ny distrikan’i Morombe, no nisy ny foibeny. 100km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 140km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka nianatsimo somary atsimo andrefana ny diany, ka nahafaka 13km/ora.

Hihazo ny morontsiraka indray, distrika maro naharay fanairana

Tamin’io ora voalaza io, marihina fa hikisaka mianatsimo atsinanana hatrany ny dian’i Dikeledi, nanomboka omaly, ka tombanana handalo any amin’ny manodidina ny 200km miala ny morontsiraka Atsimo Andrefana, anio alina, amin’ny tanjaka “Rivodoza mahery vaika”, amina rivotra 185km/ora hiaraka aminy. Noho izany dia mety hiitatra amin’ny morontsiraka Atsimo Andrefana ny tafio-drivotra ho entiny. Noho izany, tombanana hitondra rotsak’orana betsaka izy, izay mihoatra ny 80 mm/24 Ora mandritra ny fandalovany, ka mety hitera-doza hatrany, toy ny fiakaran’ny renirano, tondra-drano amin’ireo toerana marefo, ranon-trambo sy fihotsahan’ny tany. Mba ho fiomanana manoloana izany, dia Faritra sy Distrika vitsivitsy naharay sahady filazana fanairana na miloko maitso, dia Androy, Morombe, Toliara I sy II, Sakaraha, Betioky Atsimo ary Ampanihy. Niangaviana torak’izany koa ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Besalampy sy Taolagnaro mba tsy hiandriaka intsony mandra-pahalasan’ny loza. Entanina koa ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.

Nangonin’i S.R

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer