Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

HERISETRA MAMOAFADY: Ray niteraka nahavita nanolana an-janany vavy nandritra ny 19 taona

Loza tsy roa aman-tany! Lehilahy iray manan-janaka vavy no nahavanon-doza nahavita nanao herisetra sy nanolana azy nandritra ny 19 taona. Olon-tsotra tsara sitra-po nahafantatra ny zava-nisy no nampahafantatra ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana ity tranga mamoafady mahonena ity, ny alakamisy 09 janoary lasa teo. Io fitarainana io izay nilaza, fa misy zazavavy iharam-bono amanherisetra ataon-dRainy, ao Ampasamadinika. Nandray andraikitra avy hatrany nanao fitsirihana sy nanamarina ny tranga voalaza ny Polisy eo anivonny Fitaleavanny Police Judiciaire, taminio fotoana voalaza io. Taminizany indrindra no nahasamborana ity raim-pianakaviana nahavanon-doza tao aminny trano fonenany, izay tsy voatonona ny misy azy raha ny tatitry ny Polisy. Fantatra taminizay, fa nihidy aman-trano ity lehilehy ity nandritra io fidinana narahina fisamborana io. Tao anatinizany anefa, no nahitana fa tovovavy efa tsy mahatsiaro tena sy mitsikasina no sendranireo Mpitandro filaminana. Nosamborina avy hatrany ity farany, ary taminny famotorana natao azy no nahalalana, fa nanomboka 14 taona ilay tovovavy no efa naolanio rainy io sy nanaovany fampijaliana isan-karazany mandraka izao, raha ny tatitra vaoary. Aminizao fotoana, 33 taona razazavavy, izay manaporofo fa nandritra ny 19 taona izy no niharanny herisetra nataon-drainy, dia ny filàn-dratsy mamoafady sy tsy fampiseho masoandro. Taminny famotorana natao azy no fantatra, fa nandà ireo fiampangana azy ity lehilahy ity, saingy niaiky izy nony farany nahatrarana ireo karazana horonan-tsary tao anaty solosainy, izay mirakitra fanolanana sy vono ary fampijaliana ity tovovavy. Tapenany amin’ny lamba ny vavanilay zanany mba tsy ho afa-miantso vonjy mandritra ny fampijaliana sy fanolanana ataony, raha ny tatitra voaray teo anivonny Polisim-pirenena. taorianny famotorana moa, dia naiditra am-ponja vonjimaika ity lehilahy voalaza fa manana fitondran-tena hafahafa ity, taorianny fampakarana ny raharaha tamnny fampanoavana, ny alatsinainy lasa teo.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer