
Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
CHAN 2024 : Mihemotra amin’ny Aogositra 2025 izao
Ny 01 ka hatramin’ny 28 febroary no daty efa voafaritra hatrany am-piandohana fa tokony ho nizoran’ny fifaninanana iadiana ny tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja baolina kitra na ny CHAN 2024. Araka ny fampitam-baovao navoakan’ny Kaonfederasiona Afrikanina ho an’ny Baolina kitra (CAF) omaly hariva anefa, dia mihemotra amin’ny volana Aogositra 2025 indray izany , izay ho atao any Kenya – Tanzanie ary Ouganda. Raha ny voalaza tao anatin’ny fampitam-baovao, anton’ity fanemorana ity ny mba ahazoana antoka tsara ny fahavitan’ireo fotodrafitrasa handraisana izany.
Araka ny fandaharam-potoana moa dia ny 15 Janoary izao no hanaovana ny antsapaka ho an’ireo hiray vondrona amin’ity CHAN ity.
Raha ho an’ny Barea an’i Madagasikara, mitohy ny fanomanan-tena ahafahana miatrika ity dingana famaranan’ny CHAN ity. Izay marihina fa fandraisana anjara faha-2 ho antsika. Ho an’ny andron’ny omaly manokana dia nigadona tao Manakara ny delegasiona notarihin’ny mpanazatra Rôrô, ary mitohy ny fanazaran-tena alohan’ny hiatrehana ny lalao izay hifanandrinan’ny ekipan’ny Chan amin’ny “Selection Vatovavy Fitovinany” ny sabotsy 18 janoary izao.




