PolitikaSongadim-baovao

RAHARAHAM-PIRENENA : Tsy misy fikasana fikomiana eo anivon’ny Foloalindahy

Manoloana ny resaka aely momba ny fampidirana an-dakazery ny miaramila sy ny resaka fikomiana. Nahitsy ny minisitry ny Foloalindahy, omaly, nanazava fa tsy misy ny fikasana fikomiana eo anivon’ny Tafika malagasy. Hentitra ny filazany fa « tsy hanaiky ny fanakorontanana izay misy sy ny fampisaraham-bazana izay tanterahina eto amin’ny Firenena, ary tsy handefitra amin’ireo izay minia manao izany »….

Manoloana ny filazana sy ny fampidirana an-dakazery ny miaramila, dia nahitsy ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Lala Monja Delphin Sahivelo, omaly, fa tsy marina ny velively ny filazana naely io, ary tsy misy ny fikasana fikomiana eo anivon’ny Foloalindahy izany. Noho ny fankalazana ny « Andron’ny manamboninahitra » sy ny fiantohana ny filaminana, aloha sy mandritra ary aorian’ny fifidianana no natao sy antony nandraisana ny fepetra. Mba ho fankalazana am-pifaliana ny « Andron’ny manamboninahitra 12 janoary » no antony. Mandeha araka ny tokony ho izy ny fidirana sy firavana ara-dalàna ao anatin’ny Tafika. Nohazavainy fa maro ny fanasoketana, ny fampisaraham-bazana ny samy Tafika, ao anatin’ny tambazotra ara-tsosialy. « Tsy hanaiky ny fanakorontanana izay misy sy ny fampisaraham-bazana izay tanterahina eto amin’ny Firenena, ary tsy handefitra amin’ireo izay minia manao izany ny Mpitandro filaminana. Vonona hatrany, amin’ny fametrahana ny tany tan-dalàna eto amin’ny Firenena. Miantso ny vahoaka malagasy mba ho tony », hoy izy nanamafy.
Nametrahana fitoriana…
Mikasika ny fampisaraham-bazana ny samy mpitandro filaminana, sy fihantsiana, ny faniratsirana ny Filohan’ny Repoblika, Filoha faratampon’ny Foloalindahy, ventesin’ny Kly Andrianasoavina Charles, tamin’ny tambazotran-tserasera « Facebook », dia nitondra valin-kafatra avy hatrany ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Lala Monja Delphin Sahivelo omaly. Nomarihin’ny minisitra fa ny Kly Charles, dia manamboninahitra ambony nitsoaka an-daharana, nanomboka tamin’ny taona 2021.
Manoloana ny fanambarana nataony, hentitra ny minisitry ny Foloalindahy, fa fanakorontanana tanteraka ny zavatra notanterahin’ity manamboninahitra nitsoaka an-daharana ity. Tompon’antoka amin’izay zavatra noteneniny ao anatin’io fanambarana io izy. « Tsy marina ny filazana fa misy fitaovam-piadiana mavesatra avy ao amin’ny Tafika malagasy mandeha any amin’ny Zandarimariam-pirenena, izay voalazany fa nentina hamonoana ny samy Malagasy Ny Foloalindahy malagasy, dia natao hiaro ny vahoaka sy ny fananany sy hiaro ny andrim-panjakana mijoro », hoy izy. Nahitsy ny fanehoan-kevitry ny Jly Lala Monja Delphin Sahivelo, fa tsy misy velively ny fanakalozana fitaovana mavesatra ho an’ny Tafika sy ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Hevitry ny Kly Charles manokana izany. Tsy misy zavatra mandehandeha ho azy, fa mila fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika ny toe-javatra tahaka izany. Na any ivelany aza ny Kly Charles, dia hametraka fitoriana ho azy, manoloana ireo zavatra tsy marina sy fanasoketana tanterahiny eto amin’ny Firenena malagasy.
Rado Harivelo

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer