Songadim-baovaoToekarena

MADAGASIKARA-DUBAÏ : Hiakatra 6 isan-kerinandro ny sidina ataon’ny Emirates

7 volana taorian’ny niasany teto amin’ny lanitr’i Gasikara, mampivoatra hatrany ny sidina ataon’izy ireo eto an-toerana ny kaompaniam-pitaterana an’habalabaka Emirates, mampifandray ny nosintsika amin’i Dubaï. Fahombiazana ny fanokafana io zotra io, hoy ny tompon’andraikitra. Noho izany dia fanapahan-kevitra noraisina ny fampitomboana ny sidina ataon’izy ireo eto amintsika. Raha ny zava-misy mantsy dia mitombo hatrany ny filàna amin’io zotra io.
Raha toa ka 4 isan-kerinandro ny sidina ataon’ny Emirates eto amintsika teo aloha dia hiatraka 6 isan-kerinandro izany manomboka amin’ny 02 aprily 2025, raha ny fampahafantarana natao omaly. Tsiahivina fa nanomboka ny 03 septambra 2024 no nandray voalohany io sidina mankany Dubaï io i Madagasikara. Nandritra ny iray volana voalohany dia nanodidina ny 4 000 isam-bolana teo ireo mpandeha nifamezivezy tamin’izany. Nandritra ny volana desambra hatramin’ny tapak’ity volana janoary izay mahabetsaka ny filàna ity dia niakatra 50% io antontanisa io, hoy ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro Ramonjavelo Valéry. Izany hoe tafakatra 6 000 ny isan’ireo mpandeha. Vahaolana, noho izany, ny fampitomboana ny sidina.
Manaporofo ny fahatokisan’i Dubaï an’i Madagasikara moa izao fivoaran’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta izao, indrindra ny eo amin’ny lafiny fizahantany sy ny ara-toekarena satria firenena azo hanatanterahana fandraharahana ara-bola tsara eto amintsika. Ireo sidina ireo dia hahafahana manatsara ny fifandraisana sy manohana ny tanjona ara-pizahantany eto Madagasikara. Tsiahivina fa mikendry ny hisarika mpizahatany vahiny hatramin’ny 1 tapitrisa isika amin’ny taona 2028. Ny fampiroboroboana ny sidina avy any Dubaï, araka izany, dia hampitombo ny fifanakalozana ara-toekarena eo amin’i Madagasikara sy Emiraty Arabo Mitambatra.
Sarobidy Sidonie.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer