PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA BEN’NY TANANA TETO AN-DRENIVOHITRA: Nandamoaka ireo fitoriana napetraky ny Mpanohitra
Omaly maraina no namoaka ny didim-pitsarana mikasika ireo fitoriana tamin’ny fifidianana ben’ny tanàna sy mpanolontsaina teo, ny fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana ho an’ny faritanin’Antananarivo. Raha ny angom-baovao, dia fitoriana manodidina ny 170 no voaray. Nisy ny nankatoavin’ny Fitsarana. Nisy ireo nolavina, ary nisy ireo tsy nitombina noho ny tsy fisian’ny porofo. Saika ireo fitoriana avy amin’ny fanoherana ireo nolavin’ny Fitsarana ireo.
Anisan’ny nisongadina tao anatin’ny didim-pitsarana ny fanafoanana voka-pifidianana tamina biraom-pifidianana roa teto Antananarivo Renivohitra, sy tao arivonimamo. Tafiditra tao anatin’izany ny tetsy amin’ny EPP Antsahabe. Eo ko ny fanitsiana voka-pifidianana tamina biraom-pifidianana iray tany Antsirabe,
Marihina fa mahaleotena ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana amin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana, ankoatra ny fandraisana ireo fitoriana. Amin’ny zoma izao no hamoaka ny voka-pifidianana ofisialy ny fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana ho an’ny eto amin’ny Faritanin’Antananarivo, izay misy kaominina miisa 313.
Ny Fanoratana.




